FISANDOANA TOERANA HIPETRAHANA

1. xxx ( 30/08/2003 13:59)
Dia tsy azo atao ve ny milaza marina ny toerana tena hipetrahana rehefa miditra ho mpikambana voalohany ?.Ny sasany izany na mipetraka eto Tana dia milaza fa any USA.Tsy ny toerana misy anao no zava-dehibe fa ny FIFANERASERANA.Ahoana ny hevitrareo
2. xxx ( 31/08/2003 15:12)
Ny ahy aloha ny voamariko dia nanataoko hoe France aza no toerana petrahako dia niova ho Madagasikara indray taty aoriana, io angamba no "par défaut" fa tsy mety miala intsony 'lay izy ...
3. mahaizamifidy ( 23/09/2003 13:39)
Aza omena tsiny izy xxxxxx raha ao TANA no milaza fa any usa a!.Te handroso izy izany.
4. xxx ( 20/11/2003 16:06)
Ka mety tany usa izy taloha dia efa niverina koh (hi hi hi)
5. oupsyyy ( 25/11/2003 13:03)
Za kou alou mba gaga fa bon choix ny tsirairay zany e, refa izay no mahafinaritra azy de aleo izy ande amin ny izany e, virtuel daolo zany rehetra izany
6. ikaretsaka ( 07/12/2003 10:28)
ny fika fanaovana azy dia anontaniana momba ilay tananany izy dia tratra raha mahay na tsia ko
7. ronaldo09 ( 10/12/2003 11:11)
Mba hahafantarana ny tena marina dia tokony hampiseho ny sariny any amin'ilay tanana misy azy izy satria betsaka ny mandainga
8. ikaretsaka ( 03/01/2004 16:18)
ko na hampiseho ny sariny aza izy ka raha tsy mbola tany ianao .. aiza no ahialalanao hoe any marina izy?
9. hendry ( 17/03/2004 15:48)
Tsy hitako hoe inona ny olana amin´zany. Avelao izy hiteny zay tiany lazaina amin´ny toerana ipetrahany, mety hanampy azy hahantateraka ny nofinofiny zany raha tsy marina. Amiko tsy raharahako na miteny hoe mipetraka ao Frantsa, na Egypte na Italie, rehefa miteny gasy dia ampy ahy zay.
10. nozzle ( 20/05/2004 15:55)
Aty @tsika ane misy ireo quartier na tanana omena anarana any ivelany e!sao d tsy arakao.Oh:Isotry=Moscwa,Fianara=Frantsa,sns .
11. yonikafopl ( 21/05/2004 19:34)
nozzle hi hi hi izany ve? aty aminay aty koa izao misy pochard, analakely, andravoahangy, Tsaralalana, tena daholo ireo an!
Fa tsy milay kosa aloha ilay mandainga e! izay ilay tsy mampandroso,
12. fijo ( 25/05/2004 22:08)
raha tsy mandainga izy rehefa miresaka amin'ny hafatra manokana dia izay,fa raha mba natao hiafenana kely tsy koi e
13. methode ( 17/07/2004 18:10)
Aza mizatra mandainga ry zareo fa rehefa fantatra mandainga anie tsy inoan'ny olona intsony e! Nefa mety misy mahasoa eto indraindray! Raha tsy hilaza ny ville farafaharatsiny mba ny firenena aloha!!
14. kitjo ( 02/08/2004 05:14)
yoni> hihihiih, aty aminay koa misy ataonay hoe Andravoahangy, Behoririika, Tsaralalana, .....
15. yonikafopl ( 05/08/2004 20:51)
kitjo hi hi hi hi kay hitovizana daholo
ary ny any aminareo ve ahoana no hifankahalalana hoe gasy iny??? ny anay misioka teny ratsy hi hi hi hidia miherika izy raha mahay :lol:
16. ludo ( 14/08/2004 15:31)
ny tsotra ry xxxxx de ampiresao izy d angatao
ny phone ny d ita eo ny laingany de tebao
refa avy eo fa tsy soa ny mandainga
17. harenadanny ( 10/06/2016 17:20)
tsitako ku ze olana @zany! samy manoratra ze tiany io eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4654