Tsolotra

1. xxx ( 16/08/2003 14:17)
Mahafinaritra raha mba samy mitantara kely ny fisehoan - javatra hitany na fantany momba ny tsolotra isika :
Aiza ny toerana be mpanao tsolotra ary ahoana ny fomba fisehoany ?
novalian'i six ny 03/03/2004 16:53
2. xxx ( 30/08/2003 10:44)
Dradradradraina ny fanafoanana ny tsolotra nefa vao mainka manjaka.Any @ ministera no tena hanjakan'izany tsolotra izany.Na sonia tokony ho vita vetivety aza dia lazaina fa mbola hotambatambazana aloha ny chef hanao sonia azy ka raha tsy manome vola kely dia izay sitrapony no hanaovany sonia azy.
3. xxx ( 30/08/2003 10:46)
Misy manao ho fitadiavana ny resaka tsolotra.Matetika dia ny Sécretaire sy ny chef no mpiray tsikombakomba aminy io ka hifampizarana ny vola azo.
4. eugene ( 30/08/2003 11:24)
Ny tena misy ny tsolotra ve?
- Mandehana amin'iny lalam-pirenena faha 7 iny ianao. Mandehana taxi-brousse. Be polisy sy zandary isaky ny firy kilometatra. Ny taxi-brousse anefa dia afaka manome zavatra kely fotsiny dia efa lasa... indraindray tsy voajery ny taratasy.
- Fa ny blem dia rehefa lasa fiainan'ny malagasy ilay izy dia manjary tsy maintsy miara-miforitra ao satria raha misy hafa mandoa tsolotra kanefa enao tsy mandoa dia ianao no voa mafy indrindra.
5. dd ( 31/08/2003 15:26)
Ny tantara niainako, ..
Raha niditra birao aho indray mandeha tao an-tanàna, dia nihevitra foana hoe izao sonia izao tsy ho azo indray izao raha tsy misy tsolotra, dia lasa nivatsy vola maromaro am-paosy.
Nony tonga teo ampiandrasana ny anjara fiantsoana ahy dia nidobodoboka ery ny fo, misabaka ny saina, handoa sa tsy handoa ny tsolotra raha misy fanontaniana.??
Dia gaga, fa nony niantso ahy ilay ramatoa filoha dia namotopototra ny momba ny fomba fiasa sy ny mampandeha sy ny tsy mampandeha ny asa ... Ny tena amin'izay efa miforitra ery mieritreritra hoe tena sonia kely ity ve dia ilana famotorana be toa izany? Ary mety tsy ho ampy izany lay vola ao am-pôsy, ohatrinona no omena, zao dia tokony hiverina amin'ny fotoana manaraka... sns.
Avy eo nitsangana ilay ramatoa, nandray tanana ahy ary dia nanolotra ny taratasy vita sonia, sady nitondra ahy teny am-baravarana. Dia nihanahana teo aho, omeko sa tsy omeko!! Dia avy izy nilaza tamiko, aza omena ahy izay any am-paosinao any fa ento ho an'ny vady aman-janaka. Izireo mila azy kokoa noho izaho hoy izy.
Dia vakoka ny tena, hay misy olona tsotra sy mahafantatra ny rariny ihany eny amin'ireny biraom-panjakana ireny? Maromaroa ny tahaka anao hoy aho nanao veloma azy. (tamin'ny taona 1999 izany no nitranga)
6. hery ( 31/08/2003 08:56)
Na amin'izao fotoana izao koa aloha mbola misy io dd. Hitako fa nisy fivoarana be ny any amin'ny birao sy ny sisa. Ny birao rehetra amin'izao dia efa tsy dia misy tsolotra intsony.
Ny olana fotsiny dia hita hoe mbola milona be ny fikarakarana ka mbola mampisalasala hoe mbola te hangataka tsolotra ihany ve ireo mpiasa saingy tsy afaka.
Dia misy koa tena miasa mafy dia mafy sy haingana dia haingana dia mahatonga anao hisalasala hoe tokony homena kadoa kely ve ilay ranamana...
Nisy fivoarana be alou e... ny tany lavitry ny polisy ihany no mbola tsy mivoatra.
7. xxx ( 06/09/2003 10:03)
mbola misy ny tsolotra fa efa mba nihena kosa e! Manana porofo @ izany izahay raha ny toeram -piasana nidiranay no jerena.
Ny mahagaga dia ny tsolotra mikasika ny fitsarana fiara eny Alarobia. Mba misy manampahefana ve afaka hanafoana tanteraka azy io ??
8. xxx ( 08/10/2003 11:27)
mety ho foana @ izaykosa angamba ny tsolotra satria efa tsara be ny karaman' ny police !
9. xxx ( 09/10/2003 11:52)
Tsara be hoy ianao ny karaman'ny police? Sûr amin'izany ve ianao? Ohatra ny mbola resaka am-bava fotsiny ilay izy fa mbola tsy nahita aloha aho police nandray azy io e!
Ny @ tsolotra indray, arakaraka ny namoahana an'ilay hoe :"ady amin'ny tsolotra" no tena vao mainka mampitombo avo roa heny indray azy io! Mody hoe tsy maintsy miandry ny rariny fa tsy mandray tsolotra, nefa vao maika izy @ io mangataka misimisy kokoa, fa "risque" be hoe izy io;
Ohatra fotsiny koa ny ao amin'ny biraon'ny faritany, raha misy taratasy karakaraina ao, efa mipetraka moa ny rafitra ao hoe ny olona "client" na te hampanao taratasy ao, tsy mahazo mifandray mivantana @ mpiasa tompon'andraikitra ao intsony, fa apetraka eo amin'ny fandraisana ny "dossier"-nao, dia ry zareo eo no mampita azy any amin'izay tokony hikarakara azy, ka tsy ry zareo eo @ "Acceuil" indray ve no hitazona ny dossier-nao ao raha ohatra ianao ka tsy manosika azy kely? Tsy haiko aloha e!
Tsara tokoa io "ady @ tsolotra io" fa ho tafavoakantsika tànana efa zatra mitsotra ve?
10. xxx ( 22/10/2003 11:52)
Ny tena mahatonga ny tsolotra ko nge ry reto de ny toe-tsaintsika mihintsy no efa voataiza tamin'io e ! Tena efa tafiditra lalina tato anaty le izy. De tsy maintsy mila ezaka zany manala tsikelikely azy. Ny hisaorana an'Andriamanitra fotsiny de ny hoe efa mba Mihena na de tsy ho fôna intsony aza io.
Sa ahôna
11. rfanjav ( 22/10/2003 12:39)
Ny tena mampalahelo dia ny mpiasa madinika sy ny polisy no ampitahorina ery ho voasazy raha manao tsolotra, nefa ry zareo any ambony no tena dadany @ io, maninona raha ireny no enjehina voalohany, dia manaraka eny ho azy ny madinika?!
12. xxx ( 17/11/2003 19:59)
Ny ao amin'ny fitsarana ko tena mbola henjana raha tsolotra ka ! Tena reraka fotsiny ny police manenjika ireny mpangalatra ireny fa rehefa tonga ao de mody migadra 3 volana na 4 volana de iny fa hitanao indray mandehandeha eran'ny tanàna nefa olona tena fantatra fa nandray anjara tamin'ny fanafihana fiara "taxi" zao mihintsy an !
De rahoviana vô ho fôna zany ny mpangalatra ?
13. rfanjav ( 18/11/2003 13:40)
angaha vitan'izany ihany, ianao nitory azy teo koa no rahonany ho faty

fa ny eny @ fitsarana fiara eny Alarovia koa mbola miraradraraka ny tsolotra!
14. fijo ( 19/11/2003 20:33)
dia tsy ho foana mihintsy izany izy io.toa mampatahotra ahy izy izany.marina e.
15. rfanjav ( 19/11/2003 18:47)
Toa ohatra ny miady @ sida ihany no miady @ io kou!
16. fijo ( 20/11/2003 09:25)
mafy izany.dia inona fotsiny izany ity resabe atao isan'andro ity.handaniana volam-bahoaka?
17. rfanjav ( 20/11/2003 17:59)
eh, "politique des politiciens" io e!

enga anie mba ho diso ny eritreritro!
18. kally ( 20/11/2003 15:30)
O!Ny tsolotra misy foana na aiza na aiza tany alehanao fa ny firoborobony no tsy mitovy.Eny @ famoahana entana eny @ douanes no tena malaza koa ny tsolotra,aza mieritreritra hoe toe-tsaintsika gasy irery io,toe-tsaintsika olombelona io,mba jereo anie ireny horonan-tsary ireny e!misy olona iray vonona hivzarotra tanindrazana foana ao,fa ny atao angamba ny misakana azy tsy hiroborobo loatra,mba tsy hiantraika mivantana any @ fiainan'ny tsirairay andavanadro,toy ny hoe tsy voasonia ny taratasy ilainao maika raha tsy sôsy,fa ny tsolotra any ambony,aza manantena loatra,misy foana io ary mbola hisy.
19. zoufla ( 06/12/2003 10:41)
Ny tsolotra dia ny teo aloha tsy miova ihany e!
Ahoana moa no ahafoana an'io?
Ry zareo tokony hanafoana an'io no tena sefony(Polisy,Zandarmaria...).
Ireny concours ataon-dry zareo ireny,tsy izay tena mahay no afaka fa izay amboarimboariny ao ihany.
20. vetso ( 11/12/2003 09:25)
Roapolo taona lasa mahery kely izay, nisy taratasy nokarakaraiko tamin'ity birao iray. Vao hiditra eo am-baravaravana aho dia nisy nanontany hoe : "nitondra tahon'afokasika ve ianao" ? Miala tsiny indrindra, hoy aho, fa tsy mifoka sigara aho. Nihomehy ilay olona. Angaha izany sigara, hoy izy fa tsy tsolotra. Raha tianao ho vita haingana io dia tsy misy hoatra ny lava tanan'akanjo. - Ka inona no idiran'ny tànan'akanjo amin'izany, hoy aho ? Vahiny amin'izany tanàna angaha ianao, madama, hoy ilay olona, no tsy hahalala izany ? Ny fahalalana olona, ny tsolotra, izay ihany no ady eo. - Hay ve ? hoy aho. - Ka nitondra tahon'afokasika ve ianao ? hoy indray izy. - Tsy ao an-tsaiko velively izany hitondra tahon'afokasika izany, hoy aho. Dia niandry ny rariny teo aho...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.7429