misy ve ny tena fitiavana?

1. stacy ( 29/07/2003 08:55)
raha amiko manokana dia tsy dia mino loatra ny fisian'ny fitiavana marina aho satria ny fitiavana(indrindra ankehitriny) dia toa tsy maintsy misy ratram-po aterany hatrany eo amin'ireo rehetra mba mitia ary raha liana ny hahafantatra bebe kokoa ny mikasika io ianao dia asaiko hamaky ny iray @sangan'asan'i Emilson Daniel Andriamalala
novalian'i eli ny 07/12/2003 10:13
2. xxx ( 29/07/2003 16:24)
fa ahoana re izany e! ao amin'ny tantaran'i ED Andriamalala indrindra no tena misy ilay TENA fitiavana ka ianao indray no manontany hoe misy ve ny tena fitiavana?

Amiko, misy ny tena fitiavana, saingy indraindray isika tsy mahatsapa azy tsara, asa mety misy antony maro mahatonga izany ... mety mody tsy tiana jerena!
tohizo fa mahavariana ity resakao ... marina e!
3. xxx ( 29/07/2003 16:44)
Misy tena misy ny tena fitiavana.
Misy olona iray ohatra mitia olona hafa ary manaja sy mikolokolo tanteraka izany fitiavany izany mandra- pahafatiny.
Ilay olona tiana no tsy mahafantatra ny hasaro -bidin' ilay fitiavana atolotra azy , ary matetika manao fihetsika manafintohina ilay tia .
Raha lahatsoratra foronina momba ny fitiavana no resahinao dia maro no azo vakiana fa tsy ny an' io mpanoratra voalazanao io ihany
Amin ' ny olona mino dia misy Andriamanitra ary tokana . Iaraha- mahita koa anefa fa misy ireo andriaman - kafa ( sampy , vola , avonavona , sns ...).
Fehiny : MISY NY TENA FITIAVANA
4. xxx ( 30/07/2003 08:29)
Mbola tsy nahita tena fitiavana ve ianao? Mbola tsy nahatsapa tena fitiavana?
Misy dia misy tokoa ny tena fitiavana fa ny olana matetika dia tsy maharitra izy. Miredareda amboalohany, tena fitiavana, fa rehefa sendra olana isan-karazany dia mihalefy.
Ny fitiavana maharitra matetika dia fitiavana ambolena sy foronina ary kolokoloina mba haharitra... fa fitiavana tena fitiavana koa ireny.
5. myangaly ( 30/07/2003 10:43)
Ataoko fa tsy eo @fitiavan'olon droa ihany no hisin'ny fitiavana maro ireo sehatra maro isehoan'izany na eo @ fianakaviana na eo @ireo radnao ny fikarakarana ,fiahiana tsy misy tambiny dia tsy tena fitiavana ve izany?
6. anja231 ( 31/07/2003 08:39)
misy izy fa ny olona no manasarotra ny fiainany ka minia tsy mijery indraindray aza eo akaikinao ilay izy fa ianao no be fieritreretana ka mitady zavatra tsy misy ny mitia anie tsy sarotra e il suffit d'aimer simplement aimer c'est tout sans toutes vos questions parfois sans raison d'être

izay retsy a!
7. xxx ( 31/07/2003 11:30)
Misy tena misy mihitsy ny tena fitiavana. Izaho kosa aloha tsy miray hevitra @ ilay hoe tsy maharitra matetika ny fitiavana e. Tsy tena fitiavana izany tsy maharitra izany. Fa maharitra ny fitiavana sady feno hatsarana. Tsy maharitra @ izao fotsiny anefa io fa mila ezaka avy @ ny olona tsirairay.
Tsy hanome tsiny ny olona tsy mino ny fisian'ny tena fitiavana anefa aho satria raha olona mbola tsy niaina izany dia tsy hino mihitsy ny fisiany.
8. paowao ( 02/08/2003 17:07)
Misy tokoa ny fitiavana marina fa saingy izao ny fitiavana misy eo amin'ny tsirairay no tsy hainy nymitondra indrindra raha hanome ohatra fotsiny aho ny amin'ny fitiavam-bola, tena tiany marina izy io nefa tsy azo ampidirina lalina miaraka ny fitiavam-bola sy ny fitiavana marina.Ankehitriny mantsy dia tafiditra lalina ao anatin'ny fitiavam-bola ka tsy mahita ny tena fitiavana marina intsony.
9. hery ( 02/08/2003 18:08)
Momba an'i ED Andriamalala ihany, ao amin'ny Vohitry ny nofy (tsy tadidiko hoe pejy firy)... misy fitiavana tsy afaka mitovy lanja. Fa tahaka ny mizàna. Rehefa miha mavesatra ny lelany ilany dia mihena ny lelany ilany. Fitiavana marina kou ve izany?
10. xxx ( 11/08/2003 19:17)
raha ny toetra ankapoben'ny olombelona no jerena, tsy misy afaka milaza hoe tsy fitiavana ity, na ry raha tsy efa tena nianany mihitsy ilay fotoana.
Amiko kanefa na tao aza ny fotoana iray tena nisian'ny fitiavana, noho ny antony isankarazany mety hiova izany, ary dia hiaina toejavatra hafa indray aty aoriana, tsy azo lazaina ho tsy fitiavana izany. Amiko tena fitiavana daholo ireo. ED Andriamalala nitantara, asa raha tena zava-nisy tokoa na eritreritra sendra nandalo no nosoratany, fa raha tena amin'ny zava-misy no jerena, FITIAVANA daholo ireo, ary lazaiko mihitsy aza hoe tena FITIAVANA raha toa ka tena nisy sincerité.
11. paolybe ( 29/08/2003 19:41)
Misy tokoa ny tena fitiavana.
Matetika izy io dia tsy ampoizina ary tsy dia mifanaraka loatra @izay noeritreretinao.
Afaka miresaka @teny frantsay ve?

bye
12. xxx ( 30/08/2003 16:14)
Paolyb a! azo atao ny miresaka amin'izay fiteny tiana satria fantatra fa tsy mora ity resaka ity e!
13. stacy ( 16/09/2003 08:30)
marina daholo ny volazanareo rehetra izay namaly
misaotra anareo ary izaho koa dia nino ny fisian'ny tena fitiavana marina fa mba tiko ho fantarina ny fihevitr'ireo tanora namako ary raha toa ny tanoran'ny serasera ny rehetra dia ho sambatra zay mity nefa mety ho ny 20%n'ny tanora gasy no sur le net ka ianareo ve mino fa ny sisa dia hitovy fijery aminareo izy ireny ny ankamaroany dia mihevlitra fa fitiavana= sexe!!!!!!!
14. tokana ( 04/11/2003 09:39)
Misy matoa samy misahirana manoratra amin'itony sehatra itony
15. rfanjav ( 05/11/2003 10:59)
Raha ny ao @ boky no atao référence dia tokony hoeritreretina fa tantara foronina izy ireny fa tsy voatery ho marina, na dia nalaina t@ tantara marina aza,

Hery> He izany izy hoe VOHITRY NY NOFY!
fa ny fitiavana anie natao hifameno e, mety ho marina ny hoe mihena ny lelan'ny mizàna ilany dia mihamavesatra ny ilany, fa tsy mijanona eo ela be akory izany fa mifandimbindimby eo,
dia izay no mampifameno azy, mamelona azy tsy ho faty.

Stacy> raha entina @ hoe fitiavana = sexe indray dia tsy tena fitiavana izany, ny nofo hono mety ho rava,
sady rehefa leo manao fitiavana ny olona iray (ny ankilany fotsiny ohatra) dia rava ho azy ny fifankatiavana
Fa na izany aza, ny tena fitiavana dia ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona, ka iny atao ohatra e!
16. rfanjav ( 05/11/2003 11:06)
Raha ny ao @ boky no atao référence dia tokony hoeritreretina fa tantara foronina izy ireny fa tsy voatery ho marina, na dia nalaina t@ tantara marina aza,

Hery> He izany izy hoe VOHITRY NY NOFY!
fa ny fitiavana anie natao hifameno e, mety ho marina ny hoe mihena ny lelan'ny mizàna ilany dia mihamavesatra ny ilany, fa tsy mijanona eo ela be akory izany fa mifandimbindimby eo,
dia izay no mampifameno azy, mamelona azy tsy ho faty.

Stacy> raha entina @ hoe fitiavana = sexe indray dia tsy tena fitiavana izany, ny nofo hono mety ho rava,
sady rehefa leo manao fitiavana ny olona iray (ny ankilany fotsiny ohatra) dia rava ho azy ny fifankatiavana
Fa na izany aza, ny tena fitiavana dia ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona, ka iny atao ohatra e!
17. fijo ( 06/11/2003 09:42)
o ry rfanjav a,fitiavana olon-droa no resahana,fa tsy mila izany andriamanitra izany.i ED andriamalala anie ka manao fitiavana platonika e.izany hoe fitiavana any an-tsaina fotsiny.hoatra,"Andre gide sy Simonne de beauvoire"tsy misy inoninona mihintsy fa dia samy tia any an-tsaina fotsiny.ary tsy miray trano akory aza.raha" amour physique"fotsiny koa,dia mety miafara amin'io lazain'i rfanjav io.rehefa leo ny iray dia vita.ny tena fitiavana dia mila ny fiarahan'izy roa ireo.matetika izy io,à sens unique.nefa mety ho hita ihany izy ami'olon-droa,saingy mahalana be.ary mety ho lasa "amour passionnel"koa,ka dia lasa ratsy indray.ny azo lazaina izany dia misy io fitiavana avec grand A io,saingy vitsy dia vitsy.raha efa nahita ilay film:"au delà de l'amour" ianareo,dia iny no hoatra tsara.
18. rfanjav ( 06/11/2003 16:01)
Fijo> Dia raha mbola tsy hitanay izany film izany dia ahoana?

Fa Andriamanitra sy ny olombelona angaha tsy olon-droa? ha ha ha

"Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao,"

"Ny tena tia hono dia mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany, "

raha mahavita an'izany ny roa tonta dia tena mifankatia izy izany ,
19. fijo ( 07/11/2003 20:14)
o ry rfanjav a,tadiavo io film io,fa izaho mafy loha ity aza,henatra sisa no tsy nitomaniako nijery azy.rehefa avy mijery an'io ianao,dia hoatry ny hoe tsy te hanao avanture intsony.andriamanitra angaha olona?ny olona dia nofo sy fanahy.ary aza be sentiment toa io moa ianao e.raha fitiavana namana indray,dia mijereva ilay film:"des roses blanches pour ma soeur noire"film efa taloha ireo ,fa tena tsara.izaho koa aza mitady azy ireo izao fa tiako homena an'i mamanay.film fitiavana hafa tsara koa,ary mbola mora hita dia "les oiseaux se cachent pour mourir"film australianina io ary tena tsara tokoa.efa nandeha tany mada izy io,ary nitondra aho hoa an'i mamany tamin'ny 1998,fa nisy nangalatra.raha tsy izany tsy nampaninona ahy ny nampindrana azy.
20. xxx ( 10/11/2003 11:53)
Ny tena fitiavana, indray mandeha ihany iny ary raha tsy mahay mamantatr' azy d veloma lavitra.
Mipetraka @ fifandeferana, fampatokisana ary fanajana hatrany izy,ka ra votaterakao ireo d ao @nao ny fitiavana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3091