Aorian'ny fisarahana

1. eugene ( 29/07/2003 08:33)
Rehefa avy mifankatia ka misaraka ve dia tsy mety ho lasa mpinamana tsotra intsony? Ny mpivady misaraka aza anefa toa mbola afaka mifandray tsara ihany aty aoriana...
novalian'i riana ny 09/12/2003 09:58
2. xxx ( 29/07/2003 16:32)
saro-baliana ny fanontanianao ... saingy ny efa hitako no lazaiko.

Izaho dia nifankatia tamin'olona iray izay, ary nony tsy nifankahita nandritra ny 5 taona mahery kanefa nifanoratra foana, mbola tao foana ilay fitiavana, saingy ilay notiavina no tsy nahazaka ny elanelan-tany sy elanelam-potoana ka lasa nanorina akany ... ny tena moa inona no azo lazaina noho izay rehetra efa nohatrehina sy niaretana nandritra izany fotoana elabe izany? be ny alahelo sy ny fahakiviana, natelina impito mandifotra olona izany ary dia nothizana ny fiainana ...
Tao riana kely dia nanatona ireo mpianamana vaovao saingy namana taloha, ary dia niaiky ireo fa tsy hatao hanala ny maha mpinamana izay rehetra nitranga, eny fa na ireo zanaka taty aoriana aza nanjary miantso ny tena ho "tonton", dia inona no azonao atao amin'izany?

mitohy ny fiainana, raha sanatria tsy mety izay noheverina ho fitia iraisana, misentoa indray mandeha indroa fa mbola ho lava ny andro sisa iainana, ary efa nolazaiko teto io fa ny fitiavana ny fiainana dia tokony tsy hahakivy ny tsirairay.
Mazotoa daholo!
3. xxx ( 29/07/2003 17:02)
Raha manaiky ny tsirairay fa samy hafa ny fitiavana sy ny fiarahana dia tsy tokony hisy mihitsy ny olana
Azo atao ny mitia olona iray kanefa tsy miaraka aminy ( miaraka toy ny mpivady na mpisakaiza ). Mpinamana tsotra fotsiny toy ny voalazanao
Aorian ' ny fisarahana hoy ianao .
Miankina amin' ny zava- nisy tamin' ny fotoana niarahana sy ny antony nampisaraka ny tsanga miseho aorian' ny fisarahana
Irariana mba samy ahay hifamela heloka ny tsirairay ary dia ho mora ny fiarahana ho mpinamana tsotra fotsiny aorian' ny fisarahana
4. xxx ( 31/07/2003 11:32)
Miankina @ ny olona tsirairay io. Fa tsy ny olona rehetra no mahavita mijanona mpinamana rehefa avy misaraka. Nefa tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana.
5. xxx ( 01/08/2003 15:39)
marina ny lazainao farany eo io. Tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana. Izaho lay nanoratra lavabe faharoa eo ambony io, ary dia tsaroako tokoa fa nifampiresaka nandritra ny tapak'andro izahay 2 niaraka taloha, taoriana kely nifampiresaka izahay 3 ary nony vita mariazy ireo 'namana' dia nantsoiny hiaraka tamindry zareo ny tena hiara mifaly aminy, ireo ray amandreny koa nahatsapa ny fifankatiavana nisy teo aminay ary nanamafy ny hijanonana ho mpinamana amindry zareo. Dia hatramin'izao nitohy ny firaisan-kina, ny taratasy sy hafatra tsikelikely tonga sy ny fifampitambaovao eo amin'ny fianakaviana roa tonta. dia zay!
6. mampikanto ( 02/09/2003 09:18)
Eugène,
Amiko tsy dia mitombina loatra ilay hoe tsy afaka ny ho mpinamana intsony raha misy ny fisarahana fa mety foana io fa nefa kosa miankina @reo 2 ihany io fa tsy voatery hoe izay a! mifampiresaka tsara fotsiniy dia izay, ny fihavanana koa nie ny taloha e! sa ts'izany?
7. ryana ( 05/09/2003 15:42)
Raha izaho aloha dia mihevitra fa sarotra ny hoe lasa "mpinamana", amin'ny heviny feno.
Mifampiarahaba reehfa mifankahita, dia mifanontany vaovao... dia izay angaha. fa raha hoe mpinamana tanteraka... sarotra inoako.
Asa anefa, mety ho diso aho.
Ryana
8. xxx ( 29/09/2003 11:44)
Io indray de arakaraky ny antony nisarahana ry zareo io an ! raha za ve anaovanao vinany be de zay no nisarahako taminao tsy vô mahita anao aho de mivily lalana, fa raha ohatra kosa hoe tratran'ny vadibeko aho de nisaraka izaho sy le sipako tsy ho mpinamana tsotra sy mifankahazo tsara ve izahay rehefa natao ny teny ierana hoe aleo misaraka fotsiny.
Zay e miankina amin'ny antony nisarahana io na ho mpinamana na tsy
9. rfanjav ( 11/10/2003 11:10)
Marina mihitsy ilay hoe miankina @ antony nisarahana,
nefa ny gasy aloha ohatra ny mbola vitsy no mahavita an'izany e, "civilisation"-dry zareo vazaha io!
Sady raha hoe ho mpinamana tsotra hono dia hanao inona rehefa mba tafahaona hoy ianao?
10. mars ( 01/12/2003 14:58)
Matoa nifankatia dia tao ny fitiavana raha misaraka anefa dia tsy midika ho fahafoanan'ny fitiavana izany mety ho antony hafa ivelan'ny tena fitiavana no nampisaraka toy ny Ray man-dreny, na ny hadaladalana nataon'ny iray ka tsy tantin'ny iray izay zavatra mety ho azo arindra ihany,sns... amin'izay fotoana izay dia mety hijanona ho mpinamana ihany izy ireo fa raha zavatra tena enjana be aloha no nisarahana sarotra ihany ny ho mpinamana e!
Sady izao koa raha mbola ety ivelan'ny tokantrano mety ho vitan'ny hoe fanambadian-tsy raikitra ka tsy atao aharotsy fihavanana fa raha mpivady no nisaraka ,mpivady izay azo lazaina hoe efa manana zavatra ifamatorana mafimafy kokoa eny mety ho tsy misy zaza ohatra na koa tsyvita soratra fa efa nifandray toy ny mpivady, matoa nisaraka mety efa tofoka ny ankilany na mbola te ho... aza ny andaniny. Amin'ny fomba ahoana ary ny hijanonana ho mpinamana amin'izany ? raha afaka hifankatia toy ny mpinamana ihany inona no nandravana ny fiarahana. Tsarovy fa matoa minamana dia misy fitiavana aho na dia hoe ho samy hafa aza.
Mazotoa indray ary.
11. riana ( 09/12/2003 09:58)
Mety ho azo atao izany, nefa raha raha zavatra mafy sy famadihana (trahison) no antony nisarahana dia angamba ho sarotra satria hijanona ao foana ilay ratram-po, "pardonner oui, mais oublier jamais".

Fa raha misy ny zaza dia na tsy tianao aza dia tsy maintsy atao ny fifampiresahana sy ny fifampidirana an-trano h@ rafinao aza angamba, satria ny mahasoa ny ankizy no Important voalohany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2838