Sahy ve ianao

1. foudamour ( 21/07/2003 16:57)
Nisy Madama iray manankarena be sady tsara tarehy : sady taviny no volony e! saingy efa nisara-bady no nanontany ahy raha afaka ny hiaraka aminy. Tsy misy fiarovana ampiasaina hoy izy fa amin'izao fotsiny dia omeny izay tadiaviko aho. Raha ianao no eo amin'ny toerako dia sahy ve ianao?
novalian'i xxx ny 07/10/2003 12:16
2. andrianavalomalala ( 21/07/2003 18:00)
ASIVO MIRESAKA TSARA AMIKO IZY
3. julianna ( 21/07/2003 19:19)
raha izao aloha tsy sahy raha tsy misy fiarovana satria amin'ny maha-mpanakarena azy dia efa maro ny lehilahy efa voavidiny.
ka manahirana izany sao na dia omeny izay tadiavina aza.
4. ndriale ( 21/07/2003 09:08)
Raha aho aloha dia tsy afaka ny hanantanteraka izay ilainy e!
Ny antony mety misy zavatra hafa ao nefa hianao tsy mahafantatra dia mety mitsabaka any @ tsy tokony tsabahana any, izany nefa mety hitondranao zavatra mety hahafoy andro hiainanao mihyntsy
Izany ny eritreritro
5. xxx ( 21/07/2003 09:28)
Raha izaho indray no mieritreritra dia mety mitady zaza koa angamba izy. Hainao ve inona ny antony nisarahany t@ vadiny. Raha ohatra ka fahamombana manko dia izay no antony tsy hilany fiarovana zany satria zaza no tadiavina, ka raha vonona ny ho amizay lalana zay ianao dia anao ihany ny safidy.
Mazotoa
6. xxx ( 21/07/2003 09:31)
Tena resaka misy ve touny sa fampirevena fotsiny e?Ra tena misy d zao e :Miaro tena iany no ady eo fa efa 5 pour 1000 ange zao ny prévalence sida e! Aza de varina @ TAVINY syVOLONY ara-pitenenana!
7. xxx ( 21/07/2003 12:24)
rany fitiavana tsy hifanerena, fa fitiavana @ mahafitiavana azy, raha tianao ny olona iray tsy hijery harena, na bika aman'endrika, nefa moa toa tsy zay loatra zany ny zava-misy eto. ny olona iray raha toa ka mitady zavatra toy izany dia ao raha alo, de anjaranao ko no mandinika hoe inona no tadiavinao , "aventure" fotsiny ihany koa ve sa mba te-hitsapatsapa fotsiny ve? tandremo ihany anefa fa lahi-tokana ny "aina" e, ary enao ko anie tsy voatery hiaraka aminy refa tsy izay no tadiavinao e, manao "tsia" tsotra zao, de izay ahatsara ny fiainana no atao, tsy ny vola ihany koa anie no maha-tsara sy maha-finaritra ny fiaianana e.
8. harnik ( 21/07/2003 13:23)
Ohatran'ny sahy ihany aho ,saingy ny manahirana ahy de le taviny sy volony.Hono ho'aho,tsy mba azony ahena kely ve le taviny,ny volony moa iny tsy de mampaninona ahy loatra.
9. levondraky ( 21/07/2003 14:02)
Vao nitanisa ny fananan'ilay vehivavy harena fotsiny ilay ranamana de ozy zà we, resaka makorelina lelà ity. Aza amidy ry nama ny tena fa lasa ambongadiny mbamin'ny voninahitra sy indrindra ny fanahy a! Za tsy hiresaka ny mety hanjo ny vatana fa toa efa mazava ihany ireo voambara teo aloha. Ity koa hevitra iray: raha tànana ihany no mankany dia tsy misy olana na tsy misy fiarovana aza, ka anontanio ilay vevavy raha mety @ zany.
10. foudamour ( 22/07/2003 16:51)
Misaotra betsaka tamin'ny torohevitra. Mizarazara be ihany ireo hevitra narosonareo ka sahirana be aho. Tsy maintsy manapa-kevitra aho anefa androany satria manao fotoana izahay. Raha ny marina dia tsy te handiso fanantenana azy aho. Averiko eto indray fa tena manja be izy sady manana ny ampy. Misalasala aho anefa sao dia sanatria mijabaka ka hanenina eo amin'ny fiainako iray manontolo. Azo eritreretina ihany ny manao test "SIDA", kanefa ho sahiko ve ny hanery azy amin'izany. Ampio aho ry zareo a!
Misaotra mialoha.
11. xxx ( 22/07/2003 17:21)
sahy aho raha vonona izy,izaho manko tia an'ireny madama ireny
12. xxx ( 22/07/2003 19:09)
Soava-dia ry foudamour a!Ze sahy maty mifono lambamena e!De tantarao anay rehefa avy any.Itondray voan-dàlana
13. liona ( 22/07/2003 09:21)
Ra foudamour a, inona fotsiny no tanjonao @ilay zavatra, fa raha revirevy fotsiny dia jinjao ny vokany, fa raha misy resaka matotra dia ataovy ny fizahana rehetra (teste),ary raha tsy mety izy dia ialao fa ny sipa eto @ tanàna koa anie tsy ratsy e.
14. paplosy ( 22/07/2003 09:59)
Nahoana no tsy ho sahinao ny hampanao test azy raha tena fitiavana ny anareo?Inona no tanjona,Tsy fiarahana tena matotra ve? Sady raha ny fahazahoako ny resakao dia tia azy ihany koa ianao, ka inona no tsy ifampiresahana mazava tsara?
15. hery ( 22/07/2003 12:39)
Hmmm
Ka ianao ve fou d'amour sa fou de fika aloha é. Raha fou d'amour mantsy dia tonga dia lasa izao na dia hihatra aman'aina aza...
Raha fou de zava'kafa kosa dia jereo ihany ny ho avy. Io angamba no marimaritra itambaranay rehetra teto. Hoe anao ny fanapahankevitra kanefa diniho ny ho avy.
16. xxx ( 22/07/2003 13:02)
Salama daholo e!
tena mampihomehy anie izany resakareo izany e! tena misy manao blague ny sasany hahahahahahahahahaha

Tsotra ny ahy ny teniko: inona no antony nisarahany t@ vadiny? vita mariazy ve ry zareo sa tokatrano maso fotsiny? efa miteraka ve? Misy tenindranamana eo ambony eo sao de MBA MITADY ZANAKA ary izy, ny sasany tahotra ny SIDA, de tsy hay instony olana azo vahana daholo ireny rehetra ireny raha voavaly io fanontaniana io, tsorina aloha fa be ny vevavy ankehitriny indrindra fa ny manambola sy manampahaizana no mijaly ara-pitiavana e!?
ka Mangataka andrazoky aho hoe: MBA VALIO KALOU ireo fanontaniana ireo e!, tsy vô izao aho no nandre ny toy ireo fa tena matetika e!

Maherezà e! diniho tsara aloha fa aza maimaika e!

ary marina ihany koa hoe: INONA NO TENA TADIAVINAO AMINY E! fitiavana ve sa ny vola sy ny tarehiny sa resaka rendrarendra fotsiny e!
17. xxx ( 22/07/2003 17:38)
Raha mavozo ianao ranamana dia alefaso aty aminay a! tsy misy tokony ifampierana izany : ENY na TSIA no tadiaviny . Aza mivaky loha amin' izay fanontaniana hafa.
Raha ilainao ny adiresiko dia omeko anao : olona tahaka izany mihitsy no katsarahako .
18. xxx ( 23/07/2003 16:10)
Foudamour!

Diniho tsara aloha fa aza maika izany ianao, fa raha ohatra izy ka mety manao "test sida" aloha hiarahananareo dia tena tia anao izy izay! io dia efa signe lehibe ho anao aloha, izay ihany angatahinao aminy raha mety izy dia miaraha nareo fa ny ambiny aloha tsy hitako izay olana raha tsy eo manambady angaha toi!
19. tsaravady ( 23/07/2003 19:54)
Ataovy fôna ry zandry a! tsy hitako zé blem kloungany e.

Fa mbô androtsahy sifra kely ny kôfa rehefa mahazo e! zany an!?!?!
20. jin ( 23/07/2003 11:08)
Efa misy manana izany toe-tsaina izany ve ny Malagasy?
za tsy sahy aloha e! Aleo misintaka, mazotoa e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0913