Vola vaovaon'ny TIM

1. hery ( 13/07/2003 15:41)
Malaza indray izao fa volan'ny TIM lé vola vaovao. efa mandeha sahady aza ny argot hoe 1 tim = 1 alina. Tahaka ny hoe clou=ariary zato, kala 1 = roanjato sns. Tamin'ny fandalovan'ny Talen'ny FMI teto Madagasikara no nasehon'ny filoham-pirenena tamin'ny fomba ofisialy ny lelavola vaovao. Miventy ariary. Manomboka amin'ny 2.000 Ariary, 5.000 Ariary ary 10.000 Ariary. Fifaliana izany no an'ny Malagasy fa efa mba niala tsikelikely amin'izay ilay endriky ny fanandevozan'ny Frantsay amin'ny alalan'ny Francs Malagasy. Mbola hita eo amin'ny endri-bola ihany ny sandany amin'ny Francs fa tsy misy hoe Francs Malagasy intsony fa tonga dia Francs fotsiny sisa. Hita ihany koa fa matanjaka ilay vola, araka ny heno dia natao mitovy amin'ny taratasin'ny Euros hono izy izany. Ny endriny koa efa afaka mifaninana amin'ny vola vazaha.
Indro kely anefa hoy ny mpandrafitra...
Vao jerena fotsiny ny vola rehetra dia loko TIM no mibahantoerana... Izany hoe Maitso, Manga, Mavo. Tsy misy endrikendrika mena mihitsy ilay vola. Ary ny tena nanaitra aza dia ny fisian'ny logo tamin'ny bulletin de vote Firaisankinam-pirenena tamin'ny fifidianana nifanesy eo amin'ilay vola 10.000 Ariary. Marina fa ny fitondrana vaovao izay Tim no ankabeazany no nahitana ny 10.000 Ariary (tombontsoa ve sa fatiantoka?). Saingy tsy mety kosa ny saina raha toa ka vola hiraisan'ny Malagasy, izay antoky ny firaisam-pirenena na antoko inona na antoko inona no asiana ny famantaran'ny antoko sasany. Fanampin'izany dia nanimba tanteraka ny endrik'ilay vola ny fisian'io sary hita hoe napetraka fanampiny io. Notohanan'ny Filoham-pirenena tamin'ny hoe fanam-boaran-dalana laharam-pahamehana ilay izy kanefa tsy maharesy lahatra... satria efa misy Sarina traktera manamboatra lalana sy lalana amboarina izay hita tsara ilay vola 10.000 ariary ka tsy ilaina intsony angamba ny manampy azy.
Farany, fanirian'ny Filoham-pirenena ny mba hampitombo lanja amin'izay ny vola malagasy. Faniriana tsara tokoa izany. Ny fampitomboana ny isan'ny aotra (0) amin'ny vola anefa dia toa mbola mampidina ny lanjany ihany. Ny vola Dollars toa tsy misy 10.000 mitambatra izany. Dia toa izany koa ny vola manan-danja sasany... hafahafa ihany.
Dia omano izany ny fitadiavana madinika 10.000 ariary. Raha mahazo karama ianao ka 10.000 folo no raisinao... dia ho olana be ny hanakalo azy rehefa hividy siramamy iray kilao. Mahereza e.
2. julianna ( 13/07/2003 19:30)
amiko aloha dia ohatry tsy mety io vola 10.000ariary io eh na dia ny endriny misy an'io buletin io dia efa tsy tiako satria atsy ho atsy angamba dia tim ihany ny endriny zava-drehetra eto madagascar o!
3. harnik ( 14/07/2003 18:45)
Rehefa atao zany ny tsao-kevitra de hoe:1 alina=1TIM= Maizina 1;noho izany azo eritreretina koa ny miantso ny TIM hoe " ry le maizina"
4. trimo ( 16/07/2003 08:24)
raha izaho indray aloha de tsy mahazohazo ny zavatra mamofona politika indrindra fa ny mikasika mivantana ny fiainan'ny vahoaka; koa mampalahelo raha tena marina fa ny endriky ny tim no hita taratra ao @ izany vola vaovao izany; ekeko fa ny antoko tim no nivohan'ny filoha fa izao kosa anefa no tsy maintsy eken'ny tim tsy azy irery ny fitondrana fa an'ny malagasy jiaby
5. fony ( 16/07/2003 12:12)
Azo lazaina fa manana ny fahamarinany avokoa ireo voalazanareo rehetra ireo fa ny tena olana izao ho an'ny vahoaka madinika indrindra ho an'ny mpivarotra anana sy ny sisa dia eo @ fanakalozana ireny TIM ireny satria raha anana na Clou ohatra no vidiny amin'ny vola TIM de ho sahirana izy @ fitadiavana majinika,eo koa ny eo @ fitanterana izay mampiteny ny moana ankehitriny satria raha tsy manana majinika ianao dia tsy mahamenatra ireo Goal no mampidina na mitabataba anao eo ambony daba , tena mampivonto fo aloha ny mahita ny lokon'ny Ra 8 eo @ io vola io satria toa miverina indray izao ilay fomban'ny teo aloha eh izay hita ny maha ratsy azy satria tsy mahalala afatsy ny lokony ihany zay ndray mbola ny t@ fifidianana no averina ao
ho ahy manokana zany ho fehiny de izao ehh: tsy ny fihazakazahana amin'io vola vaovao io no tena tokony hahamaika ny fitondrana fa ny hampiakadanja azy sy hanafoana ireo vola maloto be izay diovina eto amintsika ehhh
io na miova isan-taona aza rehefa tsy miova ny sandany de tsy misy dikany zany ehhh
6. levondraky ( 16/07/2003 12:27)
T@ andron'i Kaisara, dia ny sarin'i Kaisara no teo @ vola. T@ andron'ny fanjanahantany dia nasiana sarim-bazaha ny vola. T@ Tsiranana nitondra dia hita t@ vola ny sariny. Jereo fa misy ny sarin'i George Washington ny vola dolara. Ho inontsika ary raha asian-dRavalo marika amantarana ny fandalovany teo @ fitondrana ny vola vaovao? Tsy Tim za fa tsy ataoko mampaninona ahy 'zany.
Vola madinika ohatrinona moa izany no mety hanahirana ny mitady azy, hoy isika? Aza adino fa ny keta sy kodiny ange ka tsy miasa intsony e! ny sary sy zaza efa tsy azahoana zavatra intsony. Ny drala zato sy ny roanjato aza tokony atao voany fa tsy raviny intsony. Nirevetsika foana hatramin'izay na de tsy manja aza e! de zao ko revetsika na tsy manja aza ny vola. De sala ny manja fôna le fiainana na de tsy manja aza e!
7. fano ( 17/07/2003 18:33)
Toa hoatra ny vola-na mpanao lalana ilay fa tsy izany teneninareo izany.Ny zavatra mahagaga dia izao araka ny voalazan'ny gouverinoura ny banky sentraly dia toa hoe efa t@ taona 2002 hono no vita ilay logo tao @ ilay vola nefa herintaona aty ao aoriana vao mivoaka ilay vola .
Sady mahagaga e! no mahavariana ny toe-javatra hoatra ireny.
Mba saino lalina ihany ny zavatra atao vao manao azy sao ihomehezan'ny olona fotsiny eto isika
8. ratam ( 09/11/2003 17:13)
Mila fanabeazana ny Malagasy raha ny fahitako azy.

Amiko manokana dia tsy misy olana io endriky ny vola io. Fa mila miasa isika malagasy dia mitombo ho azy io. Ny olona mpitsikera anie dia tsy ireo hoe mpitrandraka ny toekarena mivantana fa ireny mpanodim-bola ireny e.. mpijirika hoy ny fiteny !

Isika Malagasy amin'izao dia mitady tany malemy hanorenam-pangady. Izany hoe aiza no misy ahazoana vola be nefa tsy dia misasatra firy ...

ka tena marina ny voalazan'ny Levondraky hoe : "Tsy olana zany leroa anh, aleo hisy marika e". Tamin'ny andron'ilay teo aloha zao anie sarina traktera hitrongisana ny tanimbolinao hanaovana goudron ny lalana hanaovany business no teo am vola ariaro 20 sns fa angaha nisy nikoropaka ny ol ! Ko nahoana no zao am fotoana mazava zao no tsy misy ahatakatra izany fa lasa mampitabataba ilay izy.

Matoa io lany ireny marika ireny dia izay no hahasoa ny fitondrana e...

LOLEVAKO KELY ETO ALOHA E !
9. dadabe ( 05/03/2005 08:43)
Marina izany leroa a ...

Ary ela leitsy ise no tsy teto ry Ratam. Fa dia lasa aiza tokoa e. Sa hono nakaton'ilay mpiasan'ny voirie ny sehatra ? Ireny mpiasan'ny voirie ireny ho'aho mila fanabeazana fa tsy ho lasa lavitra raha izany foana no atao.

Ilay anabavy kely OP tato izay ihany koa aza dia nailiky ny mpiasan'ny voirie tanteraka tsy hiasa intsony fa angamba nanodina volam-panjakana. :roll:
10. iartistika ( 17/05/2005 20:15)
Bold textItalic textBold textdray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1715