tsy mino ianao satria tsy voa

1. xxx ( 01/07/2003 18:27)
Sarotra inoana ihany ity tantara ity satria hoy ianao hoe andro efa izao ve dia nisy izany kanefa diniho dia omeo izay hevitrao; tsy mila fanakianana aho fa hevitra no ilaiko, na izay ho nataonao raha ianao no voa toa ahy.
Manambady ara-dalana sy arapomba aho ary ny nahatonga anay hivady dia tolotra sy fanoavana rai-amandreny satria izy no nisafidy izay ho anay , izany hono no fomba!!!!!!!!!!!!
Ankehitriny tsy hitako izay atao satria tsy mety hifanaraka mihintsy izahay roa satria tsy ao ilay fitiavana raha ny fahitako azy.Tsy afaka ny hisaraka ihany koa anefa satria efa mananjanaka roa izahay (mianadahy) 8 sy 7 taona.
Tsisy farany ny ady hany ka lasa ho azy ny eritreritra nitady olona ivelany : dia nahita , nifanaraka tsara nefa tratra dia voatery nisaraka , nitombo ihany ny olana ao an-trano fa tsy nahasakana io fa dia ny fiafenanana no nampitomboina indray. Tsy afa-po ao antrano aho ka tsy maintsy mitady any ivelany ; inona no ho ataoko hoy ianao satria izahay tsy afaka ny hisaraka intsony mihintsy satria na tsy nisy aza ny zaza ny olona lehibe nanakambana efa maty daholo ary tsy fomba koa hono ny misaraka eto amin'ny toerana misy anay.
Raha mahita hevitra ianareo toroy aho , aza kianina satria efa fandreko eto @ fiarahamonina misy anay izany fa hevitra aroso.
Misaotra mialoha ho an'izay hamaly rehetra
novalian'i harry5 ny 13/09/2005 14:54
2. xxx ( 01/07/2003 12:34)
mampalahelo koa ilay tataranao fa ra za aloha no teo amin'ny toeranao, tsy fatatra koa ianao na vehivavy na lehilahy, dia nataoko izay ampilamina ny ao an-trano aloha rehefa tsy afaka ny hisaraka ihany sady ny zaza koa mampalahelo, angaha dia tena loza be mihintsy izy izao no dia tsy afaka mahay mifandefitra, ny sainareo ihany no mitondra an'io fa raha ilay hoe noterena no antony niarahanareo no ataonao betsaka ao an-tsaina dia tsy ho avy mihintsy ilay fitiavana sy fandeferena
3. xxx ( 02/07/2003 19:26)
mampalahelo ianao izany
matoa ny tokan_tranonareo mikorontana dia misy antony avy aminareo roa izany fa tsy ianao irery na ny vadinao irery ihany
mila miresaka ianareo samy milaza izay ao an_tsainy vous videz votre sacs
ary tsy miray hevitra amin\'ny xxxxxx mihintsy aho hoe mila fandeferana ekeko fa mila fandeferana ny mampirindra ny tokatrano nefa il ne faut pas abuser non plus quand meme
tsotra mifampiresaha ianareo dia hita eo hoe inona marina no mampikorotana ny tokatranonareo
bonne chance et bon courage
bisous
4. xxx ( 04/07/2003 17:42)
Maznahoana,

mampalahelo tokoa ianao, saingy marina ny hoe mila fifandeferana, mila mifampiresaka ihany koa, saingy ity, mivavaka ve ianao? Ento eo anatrehan'Andriamanitra ny olanao fa tsy misy tsy hainy atao. Ny zaza jerena fa aza ilay hoe noterena no atao be ao antsaina, mianara mitia ilay vadinao, mino aho fa tsy mbola tara izany dia izao koa, ajanony raha azonao atao ilay mangala pitia any ivelany. Izay fa mahereza.
5. xxx ( 07/07/2003 09:49)
Manahirana ihany ny zavatra miseho aminao aloha, sady mampalahelo.Ny tiako lazaina dia izao maninona no izao efa lehibe izao ve ny ankizy vao misy ny olàna tahaky izany sady @ izay efa zaza 2 efa azo atao hoe lehibe ihany. Tokony vao nivady nareo roa dia efa nahatsapa hoe ohatry tsy lasa izy izany fa toa mifanolana faona. Raha ny fahatsapako aloha dia nifankatia ihany nareo roa fa nony maty daholo ny lehibe nanakambana nareo roa dia ohatry tehy hanao zavatra mihoatra loha ianao? ary sûr aho fa ianao angamba no manontany tena @ izao fotoana izao hoe fa naninona ary no naniky ho vadiny iny olona iny izaho fa tsy ranona kanefa no tena tiako. Ka efa aingo diso any Arivo ny anao fa dia ataovy izay am-pilamina azy sisa ary jereo ny ankizy fa tsy afaka miverina intsony e!efa diso lavitra laotra no tiako ambara.Dia mahereza e!
6. xxx ( 07/07/2003 14:37)
Tohina tokoa ny fo mamaky ny tantaranao . Tsarovy anefa fa misy olona mizaka ny mafy noho ianareo momba ny tokantrano any ho any: mahita vahaolana ihany izy ireny.
- Ianareo roa ihany dia afaka hamaha izany olana izany : manokàna fotoana iadiana hevitra, tanisao eo daholo izay rehetra mety ho antony mahatonga ny olana . Manàna fahatsoram-po mifamela , ary mivonona mibanjina ny ho avy .( ianareo mivady miaraka @ ankizy izany)
Mahereza !
7. xxx ( 09/07/2003 18:39)
salama Razoky e!
saika nitovy isika, nefa atao ahaoana moe e! izay lo Sitrapon'Andriamanitra!
Ny azoko atoro anao de ny manankina ny fiananareo @ Andriamanitra. tsy misy zavatra tsy voahavahan'ny FIVAVAHANA., araka ny soratra masina hoe : NY ZAVATRA REHETRA DIA HAIN'ANDRIAMANITRA! raha mino ahy enao ka manaiky izay lazaiko de ho hitanao fa hilamina ny tokantranonao
Tazony ny vadinao fa aza hisarahana indrindra raha vita fomba ianareo, fa ny ankizy no mitondra faisana( ny ahy ohatra de 6 taona aho no nisaraka ny rad ary teny @ tribonaly t@ izay nanontaniana izay tiako na ho @ Dada na ho @ Neny)
Dia averiko indray hoe mivavaha manatona mpanompon'Andriamanitra ary manaraka izany dia mianara MANDEFITRA ary MITSIKIA hatrany
jereo hatrany izay lafintsara ao antokatrano sy @ vadinao, tsoriko fa mitovitovy @ io tantarainao io ny fiainako ( aho mambady miteraka iray vita fomba vita mariazy izay rehetra momba ny fanambadiana e!)
Noho ny @ zanako no iaretako hatrany ary hivavahako mafy mba hisian'ny filaminana ao antokatrano

ANDRIAMANITRA IHANY NO IVAVAHO
8. xxx ( 09/07/2003 17:20)
miarahaba antsika rehetra ary indrindra ilay mitady vahaolana .
Ialàna tsiny dieny mialoha fa tsy mitovy fijery @ nareo teo aloha aho:
Ekena fa ilaina ny fivavahana ,satria mamaly vavaka Andriamanitra . Ho antsika olombelona kosa dia aoka samy hifanaja : efa hita fa tsy mifankatia izao ve dia mbola terena hiaraka ??
Efa misy hatramin ' ny fanitsakitsahana ny hasin' ny tokantrano .
Tsaratsara ho anareo ny misaraka, lasa maloto ny fonareo mifankahita lava kanefa tsy mifankatia sy mifanaja akory.
Tandremo mbola tsaratsara kokoa ho an' ny ankizy ihany koa ny fisarahanareo .
Izay indray fa amin' ny manaraka e! veloma daholo
9. xxx ( 14/07/2003 11:41)
Miala tsiny aminao aho r'ilay nannome hevitra farany, tsy mitovy fijery isika! Ahoana ny voalazan'ny Tenin'Andriamanitra? izay nakamban'andriamanitra aoka tsy hosarahin'ny olona, koa nahoana ianao no mitady ho ilay olona mpanasaraka? Tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana, ary ny tarehy ratsy no tsy azo ovaina fa ny toetra ratsy azo ovaina! Azo atao tsara ny mamoy ireo rendrarendra any ivelany hanavotana ilay tokantrano, ary rsy tsara ho an'ny ankizy mihintsy izany RAD misaraka izany! Za tsoriko aminao fa ny RAD ko efa ho 10 taona izao no nisarahany, fa hat@ zao mbola marary be ny foko isaky ny mahatsiaro ny fiainanay mianakavy taloha aho!

Ny mivavaka ihany, io no vahaolana lehibe, miresaka ampahatsorana avy eo mifamela dia mianjina hoavy vaovao izy mianakavy kely. Izay ary fa mahereza ê!
10. xxx ( 15/07/2003 15:40)
Miarahaba antsika rehetra, indrindra ianao izay mitady hevitra. Asa zay rehetra resaka tonga teto raha hanampy anao ? hanampy anareo ? izay mantsy no tsara jerena : ianao irery ve no mitady ala-olana sa samy mitady ianareo mivady, chacun de son côté ? ary zay ala-olana ve ho jerena araka ny fijerin\'ny eny ivelany sa araka ny fijerinareo mivady azy sa araka ny fijerinao samy irery sa araka ny fijerin\'ireto ankizinareo ? ny tena zava-dehibe dia ny efa ahafahanao miresaka an\'izao tantaranao izao, satria eo no ahafahanao mametraka zavatra tsy mbola noheverinao mihitsy teo aloha.
Tsy manana toro-hevitra tranché homena anao aho hoe misarà na mihonona satria tsy izany loatra no hanampy anao, ny any fanampiana entiko dia ny fitarihiko ny sainao amin\'ireto fanontaniana voalazako tetsy am-piandohana.
Farany , izao no hafatro momba ny fitiavana : aza mihevitra ianao fa rehefa tia dia sambatra ...( fitiavam-bady io resahiko)
veloma !
11. xxx ( 17/07/2003 09:25)
Misaotra anareo nanome havitra fa dia misy ho dinihana izay rehetra izay izaho lehilahy ihany no mitady solution fa azy ny azy satria dia efa nolaziko anareo fa trano sisa no hiraisana fa na n efitra aza samy manana ny azy izahay roa ka tsy mifankahita intsony raha tsy minitra vitsy

Misaotra fa dia fiainana izany hoy ilay hira iray izay........................
12. xxx ( 18/07/2003 18:59)
Miarahaba antsika rehetra. Miarahaba anao manana olana koa.
Izaho aloha dia miray hevitra @ hoe : mivavaka.
Tsy hilaza aho hoe : tsara na ratsy ho an'ny ankizy ny fiarahana na fisarahana. Izaho izao efa niaina izany tao @ tokan-trano fa tsy mifanaraka mihitsy ny RAD-ko. Ho ahy manokana anefa dia nahatsara ahy ny fisarahany noho ny lehibe aho satria hitako hoe : samy sambatra ry zareo ary tsy miady intsony rehefa mifankahita.
Ny fiaretana mety maha-frustrer ilay zaza raha ohatra ka mikorontana foana ao an-tokan-trano.
Na hevitra arosoko dia hoe : mivavaha, dia tsy hoe mivavaka fotsiny dia mipetraka, dia mifampiresaha ianareo. Hazavao @ vadinao fa na tsy hijery ny momba anareo aza ianareo dia tokony hojerena ny ankizy. Ary raha tsy mety miresaka aminao izy dia mivavah hatrany ho azy. Mangala ihany koa fotoana iresahanao @ ireo zanakao, tsara kokoa miaraka @ vadinao.
Dia farany, nisy namako iray izay nilaza hoe : mamaly vavaka foana Andriamanitra ary misy telo karazany ny valiny homeny :
- Eny
- Tsia
- Tsy mbola izao.
Dia vakio Jaona 15,7
13. andryz ( 19/07/2003 17:39)
Salama daholo e!
Mahafinaritra izany, raha isika izay manaiky fa tsara ny MIVAVAKA sady mamaly VAVAKA ANDRIAMANITRA no mivavaka ho azy ireo de mino aho fa hilamina ny tokatranony, fa ny TSY AZOKO fotsiny de nahoana Ramatoa no tsy mba mitady vaha olana, tokony mba hifampiresaka tsara izy mivady
Fa amiko aloha hotohin'ny efa nolazaiko tetsy amabony de tokony hanatona mpitondra fivavahana i Razoky be mba ho ao @ ndry zareo hanadihady ny @ fiaianan'izy ireo satria araka ny filazana de miady irery izy. Hany Fanontaniako de mba tokony ho lazaindrazoky eto ny mba fanelanelanany na teny avalin'ny vadiny azy satria hita HO TIA NY tokatranony izy fa ramatoa angaha no tsy te hahalala

MAHEREZA AO AMIN'NY TOMPO E§
14. xxx ( 03/08/2003 10:58)
izao ry namana fa naninona ianao no nanaiky niteraka taminio olona io nefa ianao milaza fa tsy misy fitiavana eo @nareo2 .Ko ny izao ny torohevitro ampandefero ny fitiavatenanao fa ny ankizy jerena ,ny momba ireo ray amadreny efa maty dia avadio fotsiny izy sady fotoanany izao
15. xxx ( 24/08/2003 18:50)
Matoa efa niteraka roa dia efa nisy fitiavana izay tao.Ny saina ihany no mitondra izany.Rehefa miteny i anao hoe tiako ity olona ity dia milamina izay ny sainao.Jereo ny hoavin'ireo zaza ireo satria misy fiantraikany betsaka sady ratsy eo @ ankizy ny fisaran'ny raiamandreny.
16. jokely ( 29/09/2003 11:23)
Mifampiresaha tsara ianareo 2, manaova table ronde. Avoahy eo daholo ny pbl rehetre. Ajanony aloha ilay sipa any ivelany fa mampitombo ny olana efa tsy hita izay anaovana azy. Resaho mora2 ny vadinao. Ezaho tambatambazana ny ankizy tsy dia ahitany ny olana misy eo aminareo 2, fa manjary mampalahelo izy. Raha manampotoana hiarahana amin'ny ol any ivelany ianao dia ny ankizy sy ny tokatranonao asoavina. Raha tsy izay de sarotra be io, ny toetran'ilay vadianao koa tsy fantatra na ireny olona tsy mivaky loha ireny na manahoana.
Izay fa mahereza.
17. rfanjav ( 16/10/2003 14:32)
Hoy aho hoe : ny fitiavana dia mila kolokoloina, tondrahina tsara mba haniry fa tsy avela ho faty ho azy eo, anjaranareo no mamelona azy indray, na mikirakira an'ilay afo tsy ho faty! fa mety mbola matory fotsiny izy izao aloha! tsisy afaka ny hanavotra ny tokantranonareo raha tsy ianareo roa ihany!
Ka mahereza ary,
18. xxx ( 10/11/2003 11:36)
Mampahonene b ny tantarana ka any mba torohevitra mety hanampy kely anao d ny zaza aloha jerena, matoa izy 2 kely tonga parmis nous d efa nisy fitia ihany teo @nareo mivady. Zé hahatsaranao sy ny hoaviny zanakao no hamasohy , fandeferana ataovy devise @ fiainanao satria any aoriana hitanao fa tsy nanenenana izany. Hajanony any zé ol n hafa tinao fa vo maika mitombo roa heny ny fijalianao. Zé hahasoanareo no tanjona, ary aza adino ny mametraka ny fiainana eo am-pelatanan' ny Ray ao ambony.
Mahereza dia mivavaha
19. jm ( 25/11/2003 11:50)
Tena tsy mampino tokoa fa amin'izao fotoana izao dia mbola velona ve izany fomba izany.
Raha azoko tsara zany dia tsy afaka nandà ianao fa sitrapon'ny rai-amandreninao io,kanefa tokony dé ny mialoha ianao dé tokony efa tsy nanaiky,aza raisina hoe kiana io an fa havitra,
izao ary é,raha izany hoe efa tsy mety izany,ilay olona anakiray miara-miaina aminao io koa zany mahatsapa fa efa tsy mety intsony,dé aleo tonga dé tsorina aminyy fa tsy mety ary nahita olona ianao ary ireo zaza ireo dia hiarahanareo mitaiza,satria niarahana natao, ny hoe hisaraka:raha izaho aloha no sendra io dia "eny "ny valiny,kanefa ilay fisian'ireo zaza no mahasakana izany,fa raha tinao ny zanakao,mijanona hoanazy,any ambadika koa anefa miaraha amin'izay olona hitanao fa mhasambatra anao.
Izay no mba hevitro,asa raha mahafapo
20. hendry ( 19/12/2003 17:34)
Tao anaty fianakaviana nikorontana no niainako satria ny rad-ko dia tsy nifanaraka loatra hatr@ zay. Efa saika hisaraka hatry ny ela ry zareo nefa noho ny fiaretan´ny mamako dia niaraka teny ihany. Nisy fotoana aza folo taona tsy niray fandriana izy ireo, samy manana ny efiny. Marina fa niezaka nanafina ny olana misy izy mivady nefa dia tsapanay ankizy ihany fa misy tsy fifankazahoana eo @ izy roa ary tena nisy fiantraikany taminay zany, porofon´zany marary fo tahaka ny reniko daholo zahay zanany. Noresahin´ny mamanay taminay ny olana rehefa nanomboka lehibe zahay ary zahay no namporisika ny mamanay mba handefatra sy hiaraka @ dada indray. Dia miaraka ndray ry zareo taorian´ny folo tsy niraisana fandriana sy nisarahana efitrano. Marina fa mila ezaka be zany nefa tsotra ny teniko aminao manana olana io: mandefera hatrany, tsisy fola-mandefitra. Ny ho avin´ny ankizy jerena satria na zao aza dia efa sahiko ny milaza aminao fa efa tsikaritry ny ankizy ny tsy fifankazahoanareo ary manimba azy zany. Jereo ny ho avin´iretsy zaza ary miezaha mitia ny vadinao. Ajanony ny fitia ivelany, tsy vahaolana zany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1462