scorpions: Mitombona ve?

1. xxx ( 21/06/2003 19:51)
Resy 6-0 ny scorpions nanolonana ny egyptiana. Mitombona ary ve fa ny egitptiana no mahay baolina satria efa natao daholo ny motivation rehetra manoloana ny mpilalao malagasy. Isika ve no mbola tsy ampy fanazaran-tena sa ry zareo no tsara fototra. Mba mila ny hevitrareo mpitia baolina kitra ary aho.
novalian'i mirco ny 23/01/2005 17:14
2. randria2 ( 01/07/2003 14:06)
Tsy misy tompoko ny fahagagana fa izay nafafy ihany no jinjaina.
Nanoman-tena sy nandranto lalao tamin'i Frantsa (tompon-daka eran-tany 1998) sy Danemark ( tompon-daka eropeana 1992) ry zareo. Resy tamin'ny isa mavesatra (5-0 sy 4-0), faharesena mangidy indrindra ho azy mianakavy koa iny nandresentsika azy tetsy Mahamasina iny. Saingy hainy ny naka lesona sy nanarina ny fahavoazany.
Tsy azo lavina fa Ejipta inefatra tompon-dakan'i Afrika, manana club goavana toy ny Zamalek, Ahly, Masry, sy ny sisa.
Nifehy tanteraka ny lalao ny ejipsiana nandritra iny fihaonany tamin'ny malagasy iny. Iza no sahy mandà an'izany?
Niezaka ny malagasy nanao izay farafahaizany ary tsy manome tsiny an'ireny mpilalaontsika ireny isika satria nanao izay faraheriny tokoa izy ireo. Sendra ny mafy noho izy ireo ka tsy afa-nanoatra e.
Eo ambony kianja tompoko no milalao fa tsy vitan'ny nofinofy sy torapo fotsiny akory. Isika malagasy tena diso satria nanonofinofy fotsiny sy nanantena ny handresy mora ny ejispiana.
Ny baolina miditra any anaty harato ihany no isaina.
Amiko dia samy manana ny andraikiny tamin'iny faharesena iny ny tsirairay. Tsy vitan'ny vonjy tavanandro sy ny petatoko akory ny fanomanana ny fiatrehana lalao iraisam-pirenena fa aman-taonany maro. Tsy vitan'ny hoe rahampitso ianao hilalao dia anio vao mikorapaka. Tsy misy ny rafitra mazava itantanana ny baolina kitra fa mifanipaka toy ny valala an-karona no ataon'ireo mpitantana.
Gidragidra lava ny an'ny ministera sy ny federasiona. Hatramin'ny sakafo hanin'ny mpilalao no arahin'alahelo sy hiakatra fitsarana eny @ tribonaly. Inona no zavatra ho vanona amin'izany?
Ny an'ny olona manomboka any amin'ny sokajy madinika indrindra "poussins "dia efa misy fifaninanam-pirenena. Ny antsika aza ny championnat mbola élimination direct fa tsy mba mandeha journées ohatra an'ireo firenen-kafa, na dia ireo tany mahantra atsy Afrika aza.
Raha resaka vola tsy misy sy ny fahantrana indray dia tsy fialan-tsiny izany tompoko ô. Misy ny vola tompoko fa lalan-kafa no alehany. Mahantra ny zambiana kanefa maninona no anisan'ireo sangany aty Afrika?
Raha sanatria ka isika no nitrangan-javatra toy ny nanjo ny zambiana tamin'ny taona 1992 ireny dia nandao ny fifaninana. Ekipa iray no indray maty nivarina any an-dranomasina. Ringana tsy nisy niangana izy rehetra kanefa mbola tody tany amin'ny lalao famaranana ihany.
Amiko dia misy ny vola natokana ho an'ny kitra fa tsy mandeha amin'ny tokony ho izy. Natao aiza ny volan'ny FIFA GOAL?
Ny tokony hataontsika dia mikolokolo ireo zaza manan-talenta, atomboka any amin'ny sekolin'ny baolina kitra any Antsirabe. Manomboka any amin'ny fokontany ny fifaninana, mitohy amin'ny section, ligy ary miakatra eo amin'ny sehatra nasionaly. Karakaraina sahady dieny izao ireo ankizy madinika toy ny AJESAIA dia ny lavitrezaka , toy ny any amin'ny fiadiana ny tompondaka erantany amin'ny 2010 no omanina dieny izao sahady.
Mba mitsinjo lavitra sady mandray andraikitra fa tsy miaina amin'ny vonjy tavanandro sy ny petatoko lava izao. Izay no fampandrosoana maharitra.
Vita tompoko.
3. tsimisitoazy ( 13/01/2004 15:06)
fa maninona ary isika nandresy azy ireo 1-0 ny match aller satria nahazo aventages isika satria taty @ tanintsika ny retour indray tany @ ry zareo teo ny havizanana tsy tadidiko hoe match nocturne moa sa atoandro ilay match isika tsy zatra ny match alina mihintsy fa tokony asiana fihezahana kely io fa tsy hoe entainement in-1 na in-2 fotsiny no atao alina ny alina koa dia manomboka @ 8 ora any amintsika fa tsy hoe @ 6 ora
akory
ny tiko valiana amin'ny fanotanianao mitombina ve? efa niomana ry zareo ary tena nifototra tamin'ny baolina fa tsy tamin'ny politika ohatra antsika tsy nataony mibahana @ lalao ny azy ny politika ; ny terrain izy efa zatra ny azy isika tsy mba mahazo ny terrain tsara ny joueur raha tsy 2 na 1 semaine alohan'ny match hifanenana @ adversaire ; simbana ny morale ny joueur sy ny sisa izay no izy fa tsy misy hoe mahay ranona fa tsy maintsy asiana ny fihezahana raha te ahazo ny vokatra tsara na eo @ mpilalao izany na eo @ ireo mpitondra tsirairay ; fa tsy hoe tambazana ianareo rehefa maresy fa tokony efa nisy hatramin'ny voalohany izany dia ny fanakaramaina ireo ankizy ireo satria mba manana ny vady amanjanany koa izy ireo
4. totty ( 19/12/2004 23:26)
amiko ny scorpions, dia ahitana mpilalao mahay nefa misy ny indro kely,ilay indro kely lazaiko dia izao:tia vola ny mpitondra voalohany,ny mpilalao fantenana efa ireny goaika antitra ireny daholo ny ankabeazany,fa maninona raha mba ireo zandry kely amin izao fotoana no antsoina ho scorpions fa tsy ireny goaika ireny foana !aza andino fa ireo tanora amin izao fotoana ireo azo anjorotsara eny ambony kianja,ary izaho mino fa raha ireo tanora amin izao fotoana ireo no eo ,tanteraka ny fandraisan ny scorpionsanjara na dia ny CANfotsiny aza izany,mba jereo anie ny kliobaafrikanina sasany e!roa na telo no ahitana zokinjokiny fa ny antsika kosa maro loatra
5. mirco ( 23/01/2005 17:14)
Ny ahy ny zavatra mba tiako ho tsipihana dia izao:
1-Moa ve isika tsy mba afaka maka ireny
Entraineur malaza avy any am-pita ireny sa dia
fa mahantra manao ahoana loatra isika io?
2-Moa ve ny mpilalao aty amin-tsika dia efa tena ambakan\'ny hafa sa ry zalahy tsy tia tanindrazana ka hitomany hiditra ao @ equipe de France nefa tsy hisy izany zavatra izany?
3-Fa maninona aty Madagascar tsy mba misy Centre de Formation nefa any Afrique betsaka izany zavatra izany ka moa ve isika no tena tratra aoriana loatra ve sa ny mpitondra no tsy te-hihetsika.
Manantena aho fa hiova izany ary hanana EQUIPE SOLIDE toy ny andron\'ny CLUB M taloha ry Frederic Kiki Alba sns....... (l) CLUB M sy ny baolina kitra Malagasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3441