Hafatra tahiry

1. hery ( 16/06/2003 16:24)
Misy hevitra vitsivitsy napetraka momba ny fitehirizana ny hafatra. Nalefa email tany aminareo. Raha toa ka tianareo dia eto no anaovy ny adihevitra.
Apetrako etsy ambany ny hafatra nalefako email.
------------------
Hitako tsy mahavaha olana ilay resaka hafatra tahiry izay nolazaiko teo
aloha. Vitsy amintsika ny manana hafatra mihoatra ny 50. Ka ny vinavina
indray dia toa izao. Marihana mialoha fa izao no natao dia mba hahatomombana
antsakany sy andavany ny fifandraisantsika eto amin\'ity sehatry ny
namana.serasera.org ity.
- Ny ao amin\'ny [Ny hafatra lasa], izany hoe ireo hafatra nalefanao, dia ny
hafatra mandritra ny 10 andro ihany no hijanona ao. Ny hafatra ao amin\'io ka
mihoatra ny 10 andro izany dia voafafa ho azy.
- Ny ao amin\'ny [Ny hafatro] , izany hoe ny hafatra voarainao, dia hofafaina
ny hafatra \"voavaky\" naharitra 60 andro. Marihina fa azonareo afindra any
amin\'ny email ny hafatra voaray ka ataoko fa tsy misy olana ny momba an\'io.
Ny hafatra mbola tsy voavaky kosa dia tsy ho voafafa.
- Ireo sosokevitra ireo dia mihatra amin\'ny voalohan\'ny volana jolay ho avy
izao raha tsy misy hevitra hafa mety arosonareo alohan\'izay. Mandram-piandry
izany anefa dia asaina hatrany isika hamafa ny hafatra izay tsy dia ilaina
loatra.
--------
Misaotra
Hery
novalian'i isrine ny 13/11/2003 10:56
2. jimie ( 17/06/2003 10:53)
amiko kosa aloha dia tsy tokony hofafana ho azy ny hafatra satria indraindray misy ilaina tampoka fa anjaran'ny tsirairay kosa ny mamafa izay hitany fa tsy ilainy avy eo de mba tsy hisy himenomenona ny mpampiasa ny site
jimie
3. lucienr ( 17/06/2003 15:16)
Misaotra anao jimie......saingy mbola manantena ny hafa koa izahay mba haneho noy heviny ho fiaraha-manatsara ity sehatra ifandraisantsika ity.

lucienr
4. xxx ( 31/07/2003 16:59)
Maninona raha mba atao loko hafaa ny page d'acceuil ny amana serasers
5. isrine ( 13/11/2003 10:56)
SAlut!
F'angaha ry X tsy efa tsara io loko ny page d'acceuil io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3105