fisotrona taoka sy ny sigara ????

1. xxx ( 13/06/2003 13:03)
Mba hialaza momba an'io taoka io aho hoe Inona ny mahatonga ny olona rehetra rehefa misy ny zavatra mahanjo azy dia tsy maintsy mivarilzvo foana e! ka tsy azoko mihintsy ny mahatonga an'izany rehetra izany dia avy izy rehefa mahazo dia mitady ady aman'olona foana ?
novalian'i xxx ny 01/09/2003 15:33
2. hery ( 13/06/2003 09:51)
Zà lou tsy misotro toaka... kanefa mba misy ihany ny zavatra manjo ahy. Noho izany tsy ny olona rehetra (tahaka izay voalaza etsy ambony) no mivarilavo @ toaka rehefa misy manjo. Azo atao tsara ny mivarilavo @ tsiky :)
Mazotoa
3. xxx ( 19/06/2003 10:09)
Hoy aho hoe soa ihany fa nisy ny toaka fa raha tsy izany dia efa betsaka ny namono tena
4. xxx ( 20/06/2003 08:11)
k'angah tsy efa famononana tena sahady koa moa ny fisotroana toaka? tsy milaza ilay indraindray 1 vera aho na rehefa mitsaky pi kely iny, fa ilay mivarolavo araka ny voalaza teo ! matoa te hamono eritreritra dia efa tena misy manjo ny saina mihoatra ny zakan'ny tena izay. d inona ary no vaha olana?
5. lucienr ( 20/06/2003 14:33)
Misaotra anao r'ingah mba manontany tena @ ty resaka ity.
Toa marina ny fahatsapanao, maro no tia mivarilavo, fa tsy izay rehetra misotro akory dia mivarilavo an. Misy ny manala azy fotsiny izao.....revy fa tsy ditra na fivarinana lavo @ fiainana. Indrisy marina koa anefa fa toa manampy @ fanadinoana ny adin-tsaina ireo sokajin-java-mahadomelina ireo.....Maro ny mivarilavo, tsy vitsy koa anefa ireo mahatsapa tena.......
6. xxx ( 21/06/2003 11:02)
'Lay mihevitra hoe hanadino ny adin-tsaina anie dia toa efa midika fa tsy te-hiatrika ny olana e! kanefa anie raha tsy matotra tsara sy tsy afa-mandinika tsara satria domelin'ny taoka na sigara (mahadomelina) dia vao mainka olana no hita, tsy vitan'ny te-hamoaka izay tsy tantin'ny vavony sy ny atidoha fa mety hanaraka hatramin'ny aina mihitsy aza? io lay lazaiko teo hoe 'efa famonoana tena sahady'. Ny olana nefa amin'izay mbola mipetraka ihany, ary raha mba tsara vintana fa tsy maty fo aman'aina ary, dia ahoana? miverina indray ilay eritreritra mankany amin'ilay olana, dia tsy ho tafavoaka mihitsy fa hianjera indray mandeha amin'ny fanampenamaso ny zava-misy, dia hiverina hivarilavo foana eo, dia hanao cycle lava eo? afaka 'kely', dia lavo kely indray, dia miarina kely, dia midaraboka kely indray.
7. prince ( 15/08/2003 08:05)
Ny ahy dia zavatra tsotra fotsiny.Ny taoka sy ny sigara dia tsy maha elavelona fa maha kely andro iainana.tadidio fa raha ny olona iray no misotro taoka sy mifoka sigara dia manjary taizan'aretina izy ary ny taoka tsy mamaha olana fa mapitombo ny olana.Ary raha izaho mihitsy dia tsy hividy setroka izany.Marina fa ilain'ny vatana ny alcool fa tsy ny fisotroana taoka mihitsy no vahaolana amin'izany fa efa misy ny zavatra mahasolo an'izany.Miteny fotsiny aho oe tsy tsara ny taoka sy ny sigara ary tadidio fa tsy io no maha bandy.Toro hevitra fotsiny ny ahy fa ratsy ny taoka sy ny sigara ka atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby ary atsipy ny teny eny am-pon'ny mahalala ka anjaranao no mandinika sy miheritreritra.
8. xxx ( 01/09/2003 15:33)
marina fa mafiny ny fiainana nefa na izany aza tsy tokony ny toaka sy ny sigara no atao ho vaha-olana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1947