Mitady tononkira azafady

1. tamatave ( 31/05/2003 14:28)
Ravoron'iry o. Io ny lohateniny. Ny mpihira tsy fantatro. Miala tsiny raha tsy eto ny toerana fitadiavana tononkira.
Misaotra ny namana rehetra, tena tadiaviko mafy hatramin'ny ela mihitsy io.
TAM
2. xxx ( 31/05/2003 13:16)
ao @ tononkira.serasera.org no ahitanao io hira io
3. tamatave ( 01/06/2003 14:36)
Misaotra anao namaly, saingy tsy hitako ao ilay izy. Ary sao mba misy mahafantatra ny mpihira azy?
TAM
4. hery ( 01/06/2003 15:18)
Sao dia ilay hiran'i Mendrika vaovao? Raha vaovao izy dia i Mendrika no mihira azy.
5. hery ( 01/06/2003 15:21)
Matsatsa???

Mety ilay hoe Matsatsa ao amin'ny rakikira voaloan'ny tarika Mendrika angamba fa jereo ihany. Tsy misy an'io ao amin'ny tononkira.serasera.org fa raha mahita ianao dia mba ampidiro ao azafady.
6. xxx ( 01/06/2003 14:09)

Toa hiran'i Mendrika tokoa io ka !
7. tamatave ( 02/06/2003 12:58)
Misaotra betsaka anareo amin'ny finiavana. Io hira io dia efa ho 20 taona any ho any izao no nahenoko azy.Misy tonony manao hoe: raha mankany avaratra, miankandrefana, ets. Toa hiran'ny gadra izy io...
TAM
8. kakalahy ( 02/06/2003 14:51)
Sao dia hira kalon'ny fahiny kosa ?
9. sifotra ( 05/06/2003 14:22)
Ao Antanimora misy tonony, eo @ cellule n°8, @ rindrina ankavia, ambony.
10. lanto ( 12/06/2003 19:49)
Sao de le hoe :
Ravorona iry ô (ôôôô)(in-2)
Raha mba hianavaratra any e misidina @ ilay tanana
Ambarao @ ramalala fa na dia lavitra tsy manadino ô
Isa : kely sisa hono hoe
Roa : hiara-hidola (sa hirona) ô
Telo : aza malahelo
Efatra : izao no hafany hoe
Dimy : aza manadino
Enina : sao manenina
Fito valo sivy folo
Veloma masina daholo

Avy eo ny andrefana atsimo sy atsinana. Fa ny mpihira tsy haiko. Efa ela tokoa io an ! Raha tadidy ny mpihira ka voamarina ny tonony dia hampidirintsika ao à tonon-kira e !
11. tamatave ( 22/06/2003 13:36)
Misaotra an'i lanto fa tena io ilay izy. Tany amin'ny taona 1981 tany no nahenoko voalohany sy nihirako azy niaraka tamin'ny mpiray "violon"! Nanjary fahatsiarovana tsy mety maty hatramin'izao. Ny tonony dia marina. Raha tsy mahadiso, manana ny feo ve ianao? Mbola mamerina ny fisaorana be dia be,
TAM
12. lanto ( 24/06/2003 10:50)
Ts'isy fisaorana. Haiko ihany ny feony fa hatao ahoana ny hampita azy any aminao ? :)
13. tamatave ( 25/06/2003 14:09)
Miala tsiny fa diso ny fanontaniako. Ny tokony ho nilazako azy angamba dia hoe: sao mba misy manana io hira io amin-tsika eto amin'ny Namana? Na milaza ny fomba mety hahitana azy? Ary iza ilay Mpihira?... Misaotra an'i Lanto aloha fa dieny efa hazoko hilazana ny any @ Pays mba hitady koa satria efa hazo ny tonon-kira.
Am-piralahina lalan-dava,
TAM
14. lanto ( 02/07/2003 18:25)
Raha mahalala olona ao @ RNM (mbola izany moa ?) dia ao ihany izao no mety mbola manana an'io.
15. tamatave ( 04/07/2003 13:43)
Misaotra @ toro-hevitra. Hilazako vaovao ihany moa rehefa misy e.
tam
16. xxx ( 10/07/2003 19:19)
Za koa mahita tonokira hoe Ravoron'iry saingy ny tsininy fotsiny de tsy hitanareo any le vorona fa za ihany no mahita azy eto.Fa inona lou le vorona tantarainareo io e?Samihafa mantsy ny tonony arakarak'ilay vorona.
17. sifotra ( 10/07/2003 19:31)
Io ndray de tsy ahatsiaravako le oul tsy niara-"guitare" tamiko zay. Marina adinoko.
18. julianna ( 20/07/2003 09:43)
Hoanareo any Tamatave!
angaha dia tsy mba misy tanora mihetsiketsika mihitsy ve , raha mba manao chat izahay dia tsy mahita tanora avy ao tamatave mihintsy fa ahoana e!
19. xxx ( 21/07/2003 13:17)
Hihetsiketsika ahôna moa nefa nareo aty lavitra aty.Ka na hihetsika aza izahay tsy hitanareo.Ah!mihetsika ihany izahay fa @ alina de zany no tsy hatsinjovanareo azy.
20. xxx ( 10/10/2003 15:28)
Mba mangataka anareo hanampy ahy koa @ fitadiavana... Eo ihany ny tononkira. Misy hoe :"Anakiray monja 'ty vonin-draozy ity
Ka iza no omeko azy e!"... Fa ilay namorona azy no tsy tadidy ny anarany. Toa mpihira tao @ "Vononavoko" ilay namorona sy nihira azy.
Ka asa na afaka hamaly ahy ianareo.
Fa dia efa misaotra mialoha aho !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3298