inona no tokony ataoko

1. taxbota ( 26/05/2003 11:58)
manana sipa maroma aho ry zalah kanefa samy tiako izy rehetra dia inona no tokony ataoko
novalian'i shala ny 01/10/2013 06:23
2. lalasoa ( 26/05/2003 15:03)
ny tokony ho ataonao diaizao:satria samy tianao daholo izy rehetra dia tsotra fotsiny,atao ankitsapaka dia izay azonao ao iharahana,dia vita
3. xxx ( 26/05/2003 15:39)
Ataovy atsapaka dia omeo anay izay tsy lany na ataovy appel d'ofre
4. malalatiana ( 26/05/2003 18:31)
mahafinaritra ahy ilay hoe akitsapaka io an. za lesy tsy mino izany hoe tiana daholo izany fa tsy maintsy misy ankiray speciale. na rehefa tsy mitovy hevitra amiko ialahy dia izao ndray atao: fakafakao hoe iza no tena tia an'ialahy dia iny tazomina.
5. jerry ( 27/05/2003 19:16)
tsy mino hoe samy tianao izany aho. tsy fitiavana izany fa filana, koa ny hevitra azoko omena anao dia tsotra . aoka ho marina amin'ny tenanao aloha avy eo maka fanapahan-kevitra, na dia tsy atao antsapaka aza amin'izay fotoana izay dia mazava aminao iza no tena tianao sy tsapanao fa tia anao koa
6. bibo ( 27/05/2003 17:04)
je veux prendre une amie
7. nata ( 27/05/2003 10:24)
Za koa alo tsy mino anzany hoe tena tianao ry zareo! ny fanontaniana tiko apetraka@nao fotsiny dia zao: inona @reo sipa maro²reo no tena tianao?ary aiza ny tena hamaritanao ny atao hoe Fitiavana @zany rehetra zany??
8. nilsen ( 27/05/2003 11:03)
Ny olombelon dia tsy maintsy manao safidy @ zavatra rehetra ataony eto ambany masoandro. Hivoaka ny trano hianao: inona no kiraro hatao? hisakafo hianao:inona no laoka?hatory ianao:@ firy no hifoha?...safidy daholo izany. tsy nisy an'zany hoe aleo tsy misafidy fa atao ankitsapaka izany satria zavadehibe aminao loatra ireo zavatra madinika ireo ka tsy atao kinanga. Ka rariny ianao raha misalasala ka tsy manao mbaninjavatra izany safidinao izany fa ny hoavinao manontolo no voakasikizany, ny taranakao koa hitondra faisana amzany. Ka mirary anao aho hahay handray ny safidy amimpahendrena, fa lehilahy tokoa enao sahy mandray safidy matotra.
9. taxbota ( 28/05/2003 08:10)
Ny hamaritako ny tena fitiavana aloha ry zalah dia izay tena manaja sy tsy tia tena angamba no tena tiako
10. xxx ( 04/06/2003 18:36)
Fa inona aloha no dia tena mahatonga anareo hanana sipa be dia be e? zany ve dia fitiavana? tena tsy ampy anareo mihitsy ve ny iray?
11. taxbota ( 04/06/2003 19:53)
Tsy aiko mihitsy raxxxxxx fa ry zareo daholo anie no manatona kozy eh!
12. xxx ( 09/06/2003 14:52)
refa zany lty de ario dôly izy rehetra dia maka hafa tena tin'la de miova taranja kou mety ihany ndana manao môpera??????????????????????????????????????????????????????? na moine de vita ny zavatra fa aza manao akitsapaka zany sô may eo ka ny ratsy indrindra no voazona mbô kôzy eh!

le manao môpera no tena mety am'la de aza adino ny mivavaka ho anay refa any 'la
13. xxx ( 10/06/2003 14:13)
dia hoe misy lehilahy mahavita an'zany hiandry mariazy zany ve! ntsssss!
14. taxbota ( 17/06/2003 10:49)
lé mopera aloha tsy lasa mihintsy zany raxxxxxxxx fa tsy milay koziy eh sady za protestant knou
15. manantsoa ( 25/06/2003 09:07)
tsy mitovy ny fitiavana sy ny fiarahana , raha ny tena izy izany dia mahazo mitia olona maro ny olona iray saingy iray ihany no tokony iarahany raha olona misaina izy. mety ho olon-kafa ankoatr'ilay miaraka aminao no tianao kokoa noho ilay miaraka aminao. Ny mpifankatia tsy voatery hiaraka.Ny tsara tsy ho lany na oviana na oviana.
16. xxx ( 10/12/2003 12:24)
Taiza ndray ry manantsoa no nisy an´izany hoe: mahazo mitia olona maro ny olona iray saingy iray ihany no tokony iarahany? Tsy tena fitiavana zany matoa afaka mitia olona maro, ny fitiavana dia indray mandeha ihany eo @ fiainana, zany no mahatonga ny olona sasany miaraka an-taonany maro nefa misaraka satria tsy mbola mifankatia @ ilay tena fitiavana marina. Ho an´i taxbota ndray dia tsotra ny teniko aminao: samy tianao izy rehetra satria manaiky ataonao @ zay itiavanao azy, ny tena marina tsy tianao fa eken´ny sainao ny miaraka aminy satria mahazo tombontsoa enao ao anatin´izany. Milalao fitia enao, te hanao collection fa tsy tena tia ka hoy aho hoe: aza ampijaliana ny zanak´olona, anontanio ny fonao hoe iza no tena tianao dia zay no tazony, raha tsisy tinao moa fa nangonina fotsiny dia ialao daholo dia mandiniha tena tsara.
17. rinakely1 ( 17/12/2003 16:28)
ity misy hevitra: ataovy liste tsirai2 ny points forts sy faibles ny jo tsirairay d hitanao we ity no tena tinao!
18. shala ( 01/10/2013 06:23)
ts manin anie zan e!r mis aina maark an zn mo in blem!!!ts maints ms iray miavak kos ao f 1mpossibl zn e!erao en ian dhl f rf tong v l ftn faran ekaranao en@altar ts maints iray ian no tong en.hi!hi!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.5786