Vazaha lasa namana?

1. hery ( 24/05/2003 12:57)
Mahita aho fa manomboka misy vazaha eto amin'ny http://namana.serasera.org. Manahirana ahy izany satria teny gasy daholo no miasa. Kanefa manontany ny hevitrareo namana ihany aho hoe sao dia ekenareo k'lou ny fisian'ny vazaha ato? Valio eto amin'ity forum ity. Izay mpandefa milaza ny anarany ihany no isaiko hanekena na tsia ny fidiran'ilay vazaha ato.
Misaotra
novalian'i taratra ny 16/02/2004 18:01
2. kaliana ( 24/05/2003 13:43)
Fa inona ny maharatsy ny fidiran'ny vazaha nefa e?Mitady hanavakavaka an!Tsotra fotsiny izany Hery a!ny malagasy rehefa mijery rohy vazaha,matoa mijery mahay mampiasa izay teny ao.Ny vazaha tsy hivaky loha hoe misy gasy mijery ao fa ahoana,asiantsika teny gasy ve?Dia toy izany koa,isaorana ny fidirany fa matoa izy mandeha ato dia mahay mampiasa izay tondroin'ny voambolana ao.Izany hoe,raisina tsara na gasy na vazaha na sinona na iza te-hiditra eto,fa tsy entina hanovana ny rafitra efa misy hatr@ izao aloha izany.Izay aloha ny hevitro.Tazonina ny mahaizy antsika,raha te-hanatona antsika ny hafa,aza sakanana fa avelao izy no hiezaka hanaraka ny fombatsika fa tsy isika no hanova ny fombatsika @izay mahamety azy
3. titafito ( 24/05/2003 13:45)
Amiko dia tsy misy tokony handavana satria matoa izy miditra dia mahay teny gasy izy izany, ka tsy tokony hanova na inona na inona mihintsy izany.
Mahereza daholo.
4. rojo ( 24/05/2003 14:15)
Tairo ry Hery a ! aleo hiserasera eto jiaby , gasy , vazaha , japoney ...
Tairintsika @ mot à mot eo izy e !
Raha ny marina dia aleo izy ho avy , fa ampifandanjao kosa a !
Izany hoe : mba asio sipa-vazaha , ary asio lehilahy vazaha , @ izay ny baolina miady tsara !
Misaotra ihany Hery a !
5. sipagasy ( 24/05/2003 17:21)
raha ny hevitro manokana aloha raha tsy miteny gasy ry zareo dé tsy hahafantatra izay tantaraina eto é.Tsy hoe manavaka anie akory fa efa mazava fa wé 100% gasy eto ka raha hianatra teny malagasy moa ry zareo maninona?????
6. r32 ( 25/05/2003 09:49)
Ny ahy aloha rehefa olombelona dia mitovy avokoa ,fa tairo haingane , sady asaina manaraka fitsipika fotsiny izy dia ampy azy izay
7. ratam ( 25/05/2003 15:15)
Raha ny hevitro manokana dia tsy misy olana mihintsy raha hiditra eto ry zareo fa kosa manaja ny fepetra rehetra ary manaiky ny fifanarahana misy eto amin'ny sehatra serasera.

Tsy dia mendrika antsika kosa anefa raha toa ka, sanatria aza misy anie izany, ny hoe handikana amin'ny tena vahiny ny takelaka. Avelao amin'izao ihany fa io no mahagasy ny gasy dia anjarany no miezaka ny hahafantatra ny resaka izay ifanaovana eto.

Toy ny varotra io ka rehefa tsy raikitra dia tsy tokony haharatsy fihavanana. Anjarantsika malagasy no miaro ny vita malagasy satria izany anie no mampandroso ireo firenena izay efa mandroso io e. jereo ny caramail angaha misy teny anglisy...

Apetraka diany mialoha io hisorohana ny mety ivoahan'izay. Mirary soa e.
8. djiulambout ( 25/05/2003 12:05)
raha tena mihevitra marina ny ho namana mou no idirany eo , tsy maninona nge izany e, namana no tadiavintsika rehetra eto, ary izay no mampijoro an ity sy hamapateza an ity sy hamapandroso azy, tsy hanampy resaka be aho , fa maro ireo voalaza eo ambony, raha hainy moa ilay teny gasy , na de tsy voafolany aza tsy maninona, rehefa tsy mihoatra ny fitsipika de izay, ity kou ange toerana natao ifanakalozana sy ifanampiana e, ka hoy aho hoe, tongava hanatevindaharana na iza izy na izy, fa ny mahamalagasy sy ny vita malagasy no hasandratsika avo e

mirary fifaneraserana mahomby ho antsika rehetra
9. lalaina ( 26/05/2003 13:52)
raha mahay teny gasy izy na hiezaka ny hianatra teny gasy dia tsy olana mihintsy fa raha isika indray no ho voatery hanaraka azy dia tena tsy mety satria ity ny ohatra iray akaiky indrindra : raha misy Malagasy ao amin'ny yahoo dia raisiny tsara fa tsy izay akory no hanovany ny azy hiteny gasy na handroahany anao ; koa dia aoka ho tazomina ny antsika fa io no maha isika antsika fa izy no voatery hanaiky antsika sy ho resy lahatra fa MAHERY ny Malagasy!!
10. liana ( 26/05/2003 14:36)
Tsy hitako loatra izay olana raha misy vazaha te-hiserasera ato.
Tsara izany fa izay no maha-serasera ny serasera.
Fa kosa mampalahelo izy raha amin'ny teny tsy fantany no hifampiresahana.
Raha toa ka mety dia adika @ teny vahiny ireo "grandes lignes" dia rehefa manoratra izy ataony @ teniny dia izay te-hamaly azy miresaka aminy @ izay teny tiany ifampiresahana.
Misaotra indrindra @ fampitan-kevitra e.
11. sifotra ( 26/05/2003 15:44)
Marina ze vôlaza teny ambony: aza asiana teny vahiny fa aleo izy no hisorona.
"Katsaka anaty lapoaly ka izay tsy mahatanty mipitika" e!
12. pouceen ( 26/05/2003 17:18)
tsy ranon'Ikopa isika fa aleo izay te-ho namana dia raisina fa fotsiny hoe aty @ tanin'ny gasy izy dia azy indray no mba miezaka manakatra ny feeling rehetra ao e!
13. kajo ( 26/05/2003 17:48)
Salama daholo e,
Zao ry reto a, teny gasy no hifaneraseran-tsika eto an, dia mety daholo n'iza n'iza miditra ao f TENY GASY no ampiasaina.
Sao manko dia lasa ohatran'ny @ toeram-piasana sasany ka tsy mahazo miteny gasy ireo malagasy 99% miasa ao satria tsy fantratr'ireo vazaha 1% ao ilay teny. fa maninona izy raha miezaka mianatra e? eto Madagasikara ange isika e!
Zay ka miombokevitra @ ireo namana rehetra ireo aho, HAJAO NY AN'NY TENA E, teny malagasy no ady eo e!!!!
Misaotra Hery a, veloma.
Kajo
14. xxx ( 26/05/2003 17:59)
Salut!
Izaho manokana aloha dia manaiky ny handraisana vazaha ho lasa namana eto eh! Tsy hitako izay maharatsy an'izany, ohatran-tsika gasy mandeha any @ tranon-kala vahiny ihany io. Ny tsara hatao fotsiny de tokony hisy toromarika ho azy @ teny frantsay na angilisy.
Dia mirary azy sahady ho tonga soa aho!

Veloma daholo
15. manou ( 26/05/2003 18:02)
Avelao izy hiditra. Dia miteny Gasy izy ato na hibadabada an-tsoratra aza. @ zay hoa isika mba manana namana vazaha e!
16. ngama ( 26/05/2003 18:18)
Amiko matoa miditra amin'ny aterinat eto dia te hisokatra amin'ny avy any ivelany ka tsy hanao tonga namana indray isika vai hihamavo. Fa kosa mazava ilay soratra ery ambony site gasy 100% dia aleo tazonina izay. Raha liana ny vazaha dia mba miezaka izy mianatra ilay teny ampiasaina ato e!
17. ngama ( 26/05/2003 18:19)
Amiko matoa miditra amin'ny aterinat eto dia te hisokatra amin'ny avy any ivelany ka tsy hanao tonga namana indray isika vai hihamavo. Fa kosa mazava ilay soratra ery ambony site gasy 100% dia aleo tazonina izay. Raha liana ny vazaha dia mba miezaka izy mianatra ilay teny ampiasaina ato e!
18. xxx ( 26/05/2003 18:29)
O.K
Raha sipa no betsaka fa tsy kôfa.
Tsy tambo aza ny sipantsika efa betsaka no lasan-dry leirony.
Ny tena marina dia aleo ferana ny isan'ny kôfa vozongo miditra dia milay.Ny jôba tsy ferana
19. lemota ( 26/05/2003 18:34)
Tsy dia maninona izany satria isika mila misokatra nefa tokony hotazomina hatrany ny maha-isika antsika; fantany ny tokony hataony matoa izy niditra ato.
20. taklitsika ( 26/05/2003 18:40)
Manao ahoana daholo
raha ny hevitro aloha tsy maninona izany satria serasera eran_tany ange ny INTERNET
VELOMA
misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2098