Diso ve ny FFKM

1. xxx ( 23/05/2003 10:55)
Diso ve ny FFKM raha nilaza ampahibemaso fa tsy tokony hampiasain'ny KMMR vaovao ny sigle hoe KMMR? Efa niantsoantsao an'izany daholo ny rehtra ka mba nilaza ny heviny koa ny FFKM dia lazaina fa partisanne... fa iza moa no tsy partisanne amin'ny fahamarinana?
novalian'i ramoul ny 21/04/2004 19:46
2. rar ( 21/08/2003 08:43)
andrimpinoana (institution religieuse) ny FFKM, ka inona no antony hidirany any @ resaka politika. Ankoatry ny fanjakan'ny Katolika (vatican) tsy nisy ohatra na iray aza tao anatin'ny tantran'ny zanak'olombelona hoe niditra an-tsehatra tamin'ny fitondrana fanjakana sy resaka politika ny fiangonana na ny resaka finoana, ka nahomby izany. Raha ny hevitro dia tokony hijanona hananatra ny ondry izay te hino hiaino azy ny fiangonana fa tsy hiditra @ fianam-bahoaka fa raha tsy izany dia tsy misy intsony ny Laïcité ary tsy mankato an'izany izahay tsy kristianina.
3. xxx ( 20/11/2003 18:34)
raha naharaka ny tantara tsara ianao io dia mahafantatra fa ny FFKM anie tsy hoe miditra amin'ny raharaham-bahoaka akory fa raha
tsaroantsika tsara tamin'ny fotoana
nampivaivay ny tolom-bahoaka ka
nisian'ny 1O Aout 199O. efa tsy
laitran'ny balan'ny fananarana loa-
tra ny mpitondra taloha ka izany no
niangaviana ny FFKM hirotsaka sa-
tria rehefa tsy vitan'ny olombelona
dia naleo nentina tamin'ny finoana
an'Andriamanitra fa tsy mirotsaka
an-tsehatra izy akory
4. ramoul ( 21/04/2004 19:46)
ka tokony ny FFKM nge zany no tokony hatao hitondra ny fanjakana satria ny mpitondra efa tsy laitran'ny balan' ny fananarana intsony é!
Amiko aloha dia izao, ny KMMR taloha dia niova ny mpikambana fa ny anaran' ny fikambanana no tsy miova noho izany tsy voatery ny mpikambana ao amin' ny KMMR hanova ny anaran' ny fikambanana izay misy zay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2589