Fahatsiarovana ny 13 mai 1972

1. dd ( 17/05/2003 10:00)
Asa ianareo raha nisy nahita ilay hafatra tao amin'ny http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=38 mitantara ny nanjo ity olona iray tamin'ny ady sy hotakotaka 13 mai 1972. !!!
novalian'i kitjo ny 14/05/2004 07:26
2. djiulambout ( 17/05/2003 15:10)
misaotra ny mpanoratra fa sady mampientanentana no mahaontsa, nefa mahafaritra tsara ny tiana lazaina, mankasitra sady mankatelina foana ny haisoratra malagasy, indrindra fa ny fitantarana ny lafinjavatra mety tsy misy mpahalala kanefa nisy.
Isika ihany no afaka hanadratra avo ny antsika
3. eugene ( 17/05/2003 08:19)
Mahaliana ilay lahatsoratra... aoka tokoa hipetraka ho an'ny tantara.
4. kally ( 22/11/2003 11:14)
Raha ny hevitro kosa,tsy tsara hipetraka ho tantara fotsiny izany,fa ampitao,tantarao ny ankizy rehetra mba hahalalany fa matoa izy toy izao ny fiainany (na dia tsy mbola sambatra aza isika),dia nisy nahafoy ny ainy,ny heriny,ny fianakaviany,nisy nijaly ho azy tao.Deraiko ireo rehetra nanana herimpo ka isan'ny nitondra ny anjara birikiny ho an'ny fanarenana ny firenentsika.
5. jhouhlambout ( 26/01/2004 14:40)
Tokony Internationali-zéna io tantarantsika io toy ny 2è Guerre Mondiale!!!
6. ratsiraka ( 03/02/2004 15:28)
Mahafinaritra lé site
7. dd ( 14/05/2004 00:53)
dia nihelina sahady izay ny herintaona nanoratako ity hafatro eto ity, mahalasa saina ny fandehan'ny andro sy ny volana ary ny taona araka lay tenin'ny hery tary amin'ny lohahevitra iray tary izay...? (eritreritra sendra nandalo -> http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m4090fdc0e3142&PHPSESSID=e5a4f3fcab785d935cb1c71d664053cb )

indrindra fa raha ampitahaina amin'izay niseho tamin ny tantaran olona iray, ny fahatsiarovany, ny nataony, ireo sedra nolalovany, ...
iezahany mitadidy izany rehetra izany !!
ary raha ho an'olona maro, vahoaka maro no ampitahaina amin'izany fahatsiarovana izany, moa ve mbola mahatadidy sy mahatsiaro, sa efa ririnin-dasa tsy tsaraoana ireny ???

fehiny: tokony mba hanao exercice fitadidina ny taloha isika.. fa ireny no naha izao antsika. Eritrereto fotsiny hoe raha tsy nisy ny 13 mai 1972 dia mba ho toy ny ahoana re no ho fiainantsika amin izao fotoana izao e! ...
8. kitjo ( 14/05/2004 07:26)
d inona re zany ny hevitra e
ny ahy tadidiko t@ herintaona mbola tsy nahita ny nosoratan dd fa ry Pety le teo Mahamasina,lolll,
le naondran ol tao @ ranon Anosy ny podium
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1199