Namitaka

1. xxx ( 16/05/2003 11:14)
Diso ve aho raha manantena zavatra tena sérieux tamin'ny internet??!!! Noheveriko haharitra kanjo nofinofy fotsiny. Izaho anefa mino fa mbola ho avy ny anjara eto amin'ny namana
novalian'i josi ny 21/04/2005 13:18
2. nata ( 02/06/2003 18:39)
Manaona alo enao!

Ra za alo!tsy haiko zay mety mahadiso anao@zany na tsia!!ra ho lazaiko anao fa za teto@internet no nahitako ny anjarako!maro ihany koa ny olona nifankahalala&niaraka t@alalanity internet ity!!fa ra fandinihako manonkana alo!d ra tena matotra&"sincère"ny ol refa miresaka eto@internet!!d mandé tsara izy fa refa ny anakiray zay no mamorona na milaza zavatra tsy hainy!na ankoatrzay!!d tsy handé mitsy!!sady çà dépend ihany kou anao io!!sady eto@internet no mahavita miresaka ny resaka retra ary mihoatra ny andavan'andro ra eny@arabe aza!!

Mazotoa
3. xxx ( 10/06/2003 11:38)
voafitaka ? ianao koa mety mpamitaka !
4. xxx ( 01/07/2003 09:36)
Ny torohevitro
Aza manantena zavatra ato @ net zany satria ny ankamaroan'ny olona ato de mpibala avokoa. Misy ihany ny serieux fa saingy 1 pour mille e ka sarotra ny mitady azy
5. xxx ( 03/07/2003 11:11)
Izaho kosa tsy mba niteny izany, maro ireo azo atao eto ary na dia hoe tsizarizary aza indraindray, toy ny zvt rehetra ihany e! Ny ahy aloha dia na dia ny fahafahako miresaka mivantana @ ireo havako any an-tanindrazana fotsiny aza dia efa zava-dehibe izay amiko, ... asa aloha!
6. xxx ( 03/07/2003 17:39)
Misy zvtr maro tokony mbola hofantarin' ireo izay milaza fa diso fanantenana . Raha nisy fifanekena nataonao ka tsy tanteraka ,dia rariny ianao raha diso fanantenana.
Raha ankoatr' izay dia hovay ny fomba fijerinao ( Inona no tanjonao ).
Tsy dia mitombina loatra ny hoe sérieux na tsia : serasera toy ny serasera rehetra io ka hita ao avokoa ny zvtr rehetra.
Ny tenanay dia afaka mijoro ho vavolombelona fa nahita ny mahasoa sy ny mahafinaritra
Mino ihany koa fa maro ireo ezaka hataon' ny responsable mba ho fanatsarana azy ity
Tsy nisy namitaka anao fa ny tenanao ihany no namitaka anao
Mahereza !
7. tantely_mg ( 16/07/2003 09:37)
Izaho kosa isany sahy milaza fa nangataka hisian'ity rubrique vavolombelona ity tamin'ny fihaonako tamin'ny Mr Hery mpandrindra ny site t@ fotoana nakana sary teny Ampefiloha. Koa mankasitraka ny tompon'andraikitra amin'ny ezaka vitanareo fa mety eto no itarafana ny fahaombiazana hitan'ny namana sy fahadisoampanantenana mitranga amin'ny hafa.

Mamerina ny fankasitraha;
Tantely
8. rfanjav ( 10/10/2003 14:46)
Ataoko fa efa mba nahita ny anjaranao ianao!
Raha tsia kosa,
Aza malaky diso fanantenana be ohatra an'io, fa tsy voatery ho eto @ namana anie ianao no hahita ny anjaranao e,
izany izy hoe anjara,
efa misy napetrak'ilay Ambony ho anao any ka aza maika e! ho leo eo ihany!
mety misy tokoa ny mahita ny azy ato, efa anjarany izay ka tsy azo idifirana, fa ny anao mbola ho avy e
9. xxx ( 10/10/2003 14:48)
Aza malaky manome tsiny be fahatany!
Sehatra natao ifaneraserana fotsiny izy ity fa tsy noforonin'i Hery hitadiavam-bady akory, ka tsy rariny raha ny Internet no lazainao fa namitaka anao!
10. xxx ( 18/10/2003 17:59)
Resaka daholo zany ataonareo zany. Fa na aiza na aiza, ny anjara tsy mba midify izany fa mbola tsy anjara fotsiny ngamba zany.
Sa ahôna
11. xxx ( 24/10/2003 10:52)
Koa raha atao hoe hitady sipa daholo ny tanjona ato @ namana,
ny isan'ny vehivavy ato anefa latsaka lavitra @ ny an'ny lehilahy,
dia ahoana misy hanan-droa izany?!
12. kakalahy ( 30/10/2003 16:09)
Ny zavatra rehetra dia tsara na ratsy arak'izay tiana hampiasana azy. Tsy fiainana izany mora kivy izany fa mahereza foana. Ny valala aza anie hono ka tsy azo raha tsy handrian'ilika ê! Ny zavatra tsara ihany koa tsy dia mba mora azo.
13. jeanbob ( 09/11/2003 16:29)
Zao no mba hevitro e ::: Tsy ny internet no mamitaka fa ianao mety hofitahana no mahazendana anay.

Izany hoe izao no tena fandehany. Mila manadihady tsara aloha e fao miady varotra ! Fa tsy hoe valala any an-dafy ko asiana sira sahady.

Tsy masiaka aho fa milaza ny zava-misy. Entam-barotra io ry akama anh, ka mila manadihady vao manolotra vola fa sao dia lasa toy ireny mpividy crême kiraro eny am pavillon ireny hoe hay tsy tena crême no ao anatiny fa atina pile wonder mainty notenehana tamin'ny gaz oil na petrole de maity hatramin'ny morotongotra patalohan'ilay naramana nividy azy ! zay vao hoe : sady nividy crême tsy tena izy no mbola tasy ny pataloha..

LOLEVAKO BE MIHINTSY,.

Tandremo amin'ny manaraka e.
14. hoditrakondro ( 12/11/2003 10:48)
Mampalahelo ahy zany enao io an!
15. fijo ( 14/11/2003 09:32)
manao ahoana,
tay be ilay creme kiraro ka,hmmm,failay olona eto no tsy azoko.namana no eto fa raha hitady sipa,dia any amin'ny boaty mandeha.
16. ariary ( 14/11/2003 17:36)
Na aiza na aiza ianao ry namana dia mety sendra ny mpamitaka foana na @ internet na @ tontolo tsapain-tanana.

Ny internet dia fitaovana tena tsara ahazoana mifandray tsy voafefin'ny elanelan-tany, izany hoe tsy izay ao an-tsinanantranonao irery ihany no ho lasa malalanao fa na hatrany an-tany lavitra tsy hita aza dia afaka anana premier contact.

Ny indro kely dia satria tsy mifanatri-tava ny mpiresaka, tsy mitonona afatsy solon'anarana, dia mitombo ny fahasahisahian'ny sasany sy ny fakampanahy hanao tantara valamaty sy hamitapitaka (mba hihomehezany angamba), ka mila mailo kokoa ary tsy mora voarebireby sy mametra-panantenana be avy hatrany @ olona tsy voahadihady.

17. xxx ( 24/11/2003 19:26)
misy mpamitaka tena mahay miresaka eto aminy serasera
sady mpamitaka no mpandainga
tsy mahay manaja olona
tsy ny internet no mamitaka fa le olona mampanatena zavatra betsaka de avy eo mamitaka ary manompa kou tena tsy tsara ny ataony nefa indray andro any izy kou mbola ho voafitaka


18. xxx ( 04/12/2003 20:21)
ö ry zalahy a ! tandremo fa misy pelaka koa ato an ! Sô de hoe hitady sipa ka sendra pelaka ha ha ha
so fa mbola tsy voafitaka zà fa ny fomba firesany ao anaty message de ahalalana azy
tandremo
19. rfanjav ( 04/12/2003 13:59)
ha ha ha
aza mba tratrany ihany aloha e
20. vetso ( 05/12/2003 09:14)
Ao anatin'ny fepetra maha-olombelona ny fanantenana. Inona no nahatonga ilay fanantenanao ho nofinofy ihany ? Mbola manantena hatrany anefa ianao. Katsaho ny mety ho lesoka hahitana ny vaha olana. Heveriko fa tsy diso ianao raha manantena zavatra tena sérieux tamin'ny internet. Misy koa anefa ny fomba fiteny hoe : "ny manantena ny tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana". Sao dia zavatra tsy azo tanterahina kosa re no nantenainao tao amin'ny internet ? Raha vorona mbola am-panidinana ange ka tsy azo atao hoe "hasiako sira iny" e ! Koa aza be famaritra toa rambon'osy nefa koa aza misalasala miresaka amin'ny tompon'andraikitra ao amin'ny serasera.org sao dia mahita vaha olana izy. Miankina amin'ilay ambaranao hoe "zavatra tena sérieux" koa anefa izany ka ianao no mahalala...
Mirary anao hahita sy hahazo izay tadiavina aho.
Vetso
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1095