Linux sa Windows?

1. hery ( 06/05/2003 08:31)
Linux sa Windows? Inona no mahatonga ny Malagasy tsy mbola miditra tanteraka amin'ny linux? Na ny CyberCafés izay mijafajafa amin'ny fampitahorana sy ny fanenjehan'ny Logidis aza dia mbola tsy miova hevitra ihany fa aleo mandoa ilay licence. Ary ianao, inona no mahatonga anao tsy mampiasa linux?
novalian'i yazman ny 06/02/2011 10:01
2. levondraky ( 06/05/2003 15:23)
Mbola mila fanentanana sy fanazavana ny gasy vao miditra amin'ny système Linux. Tsy mahazatra mantsy sady tsy hay akory ny aleha raha hitady 'logiciels'. Omeo sopapa kely ange raha tsy vetivety dia mitsimbadika ny raharaha. Ny gasy ange tia raha bôjo (tsy aloha vola) e!
3. rrodin ( 06/05/2003 11:37)
Raha ny eritreritro manokana dia mbola ny Linux no mendrika ny tary eto amin'ny tanàna. Tsy azo lazaina ho dombo mantsy ny gasy ary izany no mahatonga ny fampihorohoroan'ireo Goaybe amin'ny Logiciel sy système hafa... nefa tsy fantany fa malalaka anie ny sehatra eh... Fanentanana kely fotsiny dia mitsimbadika ny toe-draharaha... Ireo Orinasa sy fikambanana goavana saika vatsiany vola sy mpiarak'homana aminy ihany sisa ihany no hijanona hiara-hiasa aminy eo satria tsy maintsy mifamelona...
Saingy, mbola ho henjakenjana ilay fanentanana sy fampahafantarana... raha tsy miara-mientana ireo efa ao anaty club Linux Madagascar... Tadidiko ny efa nijoroan'izay site iray avy eto Dago izay fa toa nanjavona moa ilay izy "iarivo" eh! dia efa nisy annonce koa tamin'ny gazety ary tena Takila iray mihintsy nanainga hoe mitondra CD vierge fa homena système sy programme... raha tsy diso ny fitadidiako dia tao Antaninandro tao io no niainga... fa asa izay tohiny satria moa fifaninana koa io dia mety efa voafingana na voatapim-bava matoa tsy re na koa mbola MISOKO mangina.
I levondraky moa mitady sopapa, nefa mbola tsy any ny resaka izao fa mbola eo amin'ny fanentanana... na MANAOVA RECHERCHE fa feno any amin'ny internet any eh...(oh: Linux.com) Hajorontsika koa ny eto amin'ny tanàna raha vonona hifanome tànana isika.
Izay aloha fa Veloma ny aina eh!
4. djiulambout ( 17/05/2003 15:21)
Windows sa linux, tsy maintsy ho avy nge niandro oe tsy maintsy ho any @ linux dôly e, ity le logidis milaza hanenjika kou,iza no hividy ogiciel lafobe eo, ka na somary sarotrarotra aza ity le linux, tsy maintsy hianarana e, io nge bôjo otrany voalaza etsy ambony e,sady io efa miezaka mivoatra kou, ka ny mpampiasa azy ihany no mampivoatra azy, satria rehefa betsaka ny mpampiasa de mifanome tanana sy miara mikaroka hatrany oe inona no hampetipety tsara sy hahamorana ny famitana ny asa , de lasa io, izahay kou mavitrika @ ilay fifanomezan-tànana e!!!
ho ela velona dôliny
5. lalaina ( 21/05/2003 14:21)
eo mihintsy no olana aminay satria hatr'izay dia ny windows no nampianarina ny rehetra teto amin'ny tanana ary izay mahay dia tsy mbola betsaka no mahavoa ilay linux na unix an mac os, koa raha misy ny ezaka dia tokony ny fampianarana linux aloha no hihezahana dia mandeha ho azy ny fivadihana mankany.
Nankalazaina teto amin'ny Tanana mantsy fa NATAO HO AN'NY VITSY AN'ISA NY LINUX SATRIA SAROTRA ary dia jereo fa hidianareo eny amin'ny université eny fotsiny ny fampianarana azy io fa tsy haparitaka.
raha sendra mba misy afaka manome logiciel linux any dia mba hilazao izahay eh! mandrake na corel miteny français misaotra mialoha ry zalahy.
6. dd ( 22/05/2003 15:26)
Zahay vonona ny hanome izay ilaina fa ny fampitana azy no mety manahirana anreo koa anie e! Efa misy izao ny http://www.linuxmg.org/ ary efa miezaka ry zalahy ao mampita izay infos rehetra ilaina na fakana entana, na fampiasana ny entana, na ny fanentanana mihitsy aza, hoavy atsy ho atsy ...
7. hery ( 22/05/2003 16:40)
Na izany na tsy izany dia mbola amafisiko ilay voalazan'i lalaina eo ambony io. Ny centre d'informatique maro eto Tanà dia tsy misy mampianatra linux, na dia handoa vola aza... Isaky ny mahita ianao dia hoe Bureautique Windows, Word, Excell, MsAccess dia misy kou aza fampianarana internet sy email saingy Internet Explorer no ao.
Henoko fa misy ny AMUL ka maninona no tsy mba miditra antsehatra ry zareo?
8. dd ( 22/05/2003 13:58)
Mety misy foana aloha fahatahorana ny zavatra tsy fantatra e! Mbola mila fahamatorany be koa nefa ny Linux. Mbola be ireo traikefa (software) tsy mbola vita, na misy ihany fa mila rondoha mikaroka sady haingana no tsara, satria ry Bill etsy ankilany koa anie manamafy ny azy foana e! ... Ary koa, ireo mpahay azy ity toa ny filazan'i Lalaina sy Hery dia mbola zay vao nivoaka ny oniveriste ny ankabeazany. Marina io, kanefa ny mbola sarotra indrindra raha ny fahitako azy dia ny filozofia hitondrana azy. Tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mahay mampiasa azy fotsiny fa indraindray tena mila olona mahay azy dia ilay tonga amin'ny fitenenana hoe tena tsy maintsy hainy "au bout des doigts" ...
Raha ny sarababen'olona indray amin'ny fampiasana sy fampiharana dia filozofia hafa indray izay : fampianarana amin'ny lafiny pratika no ilainy, fa izay any ambadika tsy hitan'ny masony any ka tsy dia ilainy loatra dia aleo ho an'ireo mpikarakara ny fitaovana ...
Ny olana iray koa dia eo amin'ny fikarakarana sy fanarahamaso ireo otrika (andikako ny 'système' fa raha misy hafa dia arosoy). Na dia tsy andoavambola aza ny fahazoana ny Linux, tsy azo atao hoe tsy andoavambola ireo mikaondoha manamboatra ny traikefa handeha tsara tsy hisy tomika. (tohizo ndray ra- Hery a!)
9. jahary ( 24/05/2003 08:34)
ra zah manokana aloha dia efa te ho Linux e! Manifestation iray teny @ hilton no henoko de zay! atramin'izao nefa dia Soft manjaka.Na lay promoteur teny @ hilton aza de tsy heno intsony.Ra misy afaka hampianatra ahy linux de manao ao fa mba mitenena na HANDOA vola aza aho.Hamidiko htramin'ny machine-ko misy licence ra mahita olona afaka mampanao an'io aho.Saingy eritrereto iany koa ny Comptabilité sy ny sisae
10. kli ( 26/05/2003 10:23)
Akory aby nareo

Ny Linux ho an'ny mpahay informatika henjana, fa ny windows ho an'ny utilisateur tsotra.
Ka anjarantsika no misafidy

Misoatra
11. dd ( 27/05/2003 14:43)
Ho an'izay te hanandrana, inona tokoa moa no manakana? Ity misy rohy ahafahana maka Linux tena maivana be mihitsy (amin'ny teny frantsay aloha), azo ampiasaina amin'ny Lohamilina fatao andrana, ohatra Pentium133Mhz, ary dia tsy mila afatsy MS-DOS 5/6.xx sy toerana ~200MoHD-32MoRAM fotsiny. Mifototra amin'ny Slackware izy ity, ary azo ampiana tsikelikely izay ilanao azy (ohatra OpenOffice, sns). Marobe ny toa azy, fa araka ny lazaiko teo ambony, mila fotoana ny zava-drehetra, ary tsy azo atao hoe tsy vidim-bola akory ireny fotoana ireny. Mazotoa daholo.
Ity lay rohy: http://217.109.169.18/drinou/download.htm
ka ilay linux.zip etsy ambany no alaivo raha te-hahita maimaika hoe ohatra ny ahoana izany Linux izany, ary apetraho amina lohamilina tsy misy afatsy MS-Dos 5/6.xx fotsiny.
42Mo : 11mn raha xDSL
12. thunder ( 24/07/2003 09:39)
ra zako manokana kalony dia aleko Linux satria Linux gratuit sady tsy dia mila matosy dadany be. ny miotr'izay dia système stable koa ny linux, système Mac Os sy Windows ary Unix mitambatra io. défaut ny windows payant kanefa lafo sady be loatra ny mise à jour atao. en plus n'izay dia tsy mbola misy système stable no ny Windows NT 4, anefa ny olona dia jamba ny XP (be défaut be, système instable)Mac Os andramana e!
13. nickyjenny ( 01/10/2003 17:52)
tsy fantatro aloha fa raha izaho manokana dia izao no havaliko:
ny logidis eo ihany. sady rehefa te ahazo bojdy daholo dia afaka. mahaiza aloha miala amin'ny mpanara-maso.
ny momba ny linux indray dia hoy aho hoe asio famianarana kely fotsiny fa mety hitodika any daholo ny rehetra. raha ny tenako manokana aloha dia tena mbola vaovao amin'ny fampiasana azy io ka mba tairo spapa kely any ry zareo a.
misaotra dieny mialoha ary e.
14. kakalahy ( 27/10/2003 18:24)
hatraty io r'zalahy â, fa tena ma liana ahy be mihitsy saingy tsy mahita lalana mihitsy ka aiza sy rahoviana no tena ho matotra ity kaozy ity ?
15. fijo ( 19/11/2003 10:00)
tsy misy zavatra fantatro izay lazainareo ry zalahy a.
16. sifotra ( 29/11/2003 19:14)
Mbola mitombona fôna lou le we misy mahatsara zy izy roa e: ny resaka vola ngamba tsy lazaina fa le ankoatrany: @ bureautique tena tsy mahatoraka Windows ny Linux( OpenOffice sy ny tariny); misy ireo kilalao tena mlay tsy mbôla mandeh @ Linux; ny fitaovana fanaovana sary avo lenta tsy misy @ Linux. Ny Mac no tô mahavoa @ ito farany ngamba e? Fa milay le Linux ka !
17. ikaretsaka ( 30/11/2003 11:34)
Raha toa izany ka mapiasa Linux fa linux mandoha vola dia ahoana ?
Mcc OS X hono toa linux evolue ko! dia ahoana indray ireo?
18. rjnirina ( 05/02/2004 09:17)
Tsotra r'zalà ny hevitro a. Tsoriko fa efa manana traikefa misimisy ihany ny tenako. Tsapako fa tsy sarotra izany ny LINUX. Ny fiheveran'ny ankamaroan'ny olona (indrindra fa ny tanora) ny teny hoe "informatique" mihitsy no mazàna diso ; manaraka an'izay : tsy fantany akory na ny dikan'ny hoe "système d'exploitation" aza. Fehiny : ny fototra maha-izy azy an'io taranja io mihitsy no tsy misy na tsy mafy ka tsy mahagaga raha tsy ifandrenesana ny kotaba raha vô atsipinao ny safidy hoe "windows sa linux". Izaho aza mbola mandefa lavitra ny ady hevitra hoe "Linux sa UNIX (Free BSD ohatra)". Atsipiko ny teny hoe : tokony hasiana "norme" ireny fampianarana informatique eny retraretra eny reny ka ilay tena informatique VERITABLE no hampianariny alohan'ny UTILISATION DE L'OUTIL informatique. Samy hafa manko ny "informaticien" sy ny "utilisateur". (Tohizako am' manaraka)
19. librepenseur ( 19/07/2004 13:32)
marina izany e ! tsara ny linux, fa mila base kely fotsiny dia mandeha ho azy. mitadiava documentation linux ao amin'ny google fa betsaka ao...tsy maintsy mba miezaka kely kosa isika amin'izay mba tsy mandoha licence lafon'ny microsoft e !
20. yazman ( 06/02/2011 10:01)
Efa mora izao ny fomba fampiasana linux ry zalahy a,efa mivoatra be ny ubuntu izay namoaka ny version 10.10,efa azo ampiasaina tsara hoan'ny olontsotra(simple utilisateur).Mila base kely fotsiny eo @ installation dia mandeha tsara ary azo tsara ampiasaina @ orin'asa kelinao.Misy izay rehetra ilainao ao raha logiciel no jerena eto,saingy GPL akory tsy voatery ho libre daholo fe efa ampy @izay zavatra ataonao zay logiciel omeny malalaka ao.
Na izany aza,tsy mbola afaka miala tanteraka @ Microsoft iany tsika satria mbola betsaka ny application hilana ny windows nefa mety ho sarotsarotra @ linux ny manao azy,de mety ho izany koa angamba nahatonga ny linux ampiditra ny application windows azo installe-na ao anaty linux!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3759