Baolina kitra

1. hery ( 05/05/2003 16:01)
Toa marina ihany ny an\'i Ndalan René. Nisesisesy mihitsy mantsy ny faharesen\'ny Scorpion de Madagascar tato ho ato. Tsy mba nisy fandresena mihitsy. Sao dia mbola tsy tokony hanao baolina ary ny Malagasy. Betsaka anie ny spaoro hafa azo atao e. Inona no tena andaniana vola be amin\'io fa tsy aleo manao zavatra hafa raha tsy hay ny baolina kitra? Asa...
novalian'i ronaldo09 ny 13/08/2004 19:21
2. cool007 ( 14/05/2003 13:58)
Tena avy aty afrika atsimo aho no mamaly ny teninao fa tsy marina zany, nijery ny scorpion in-2 aho taty fa na ny olona aty aza mihaiky fa mahay baolina ny gasy, misy zavatra hafa tsy mandeha @ laoniny ao fa raha fahaizana manana ny gasy, sao dia mba afaka manome vaovao momba ny scorpion ianao fa tsy manana mihintsy aho, mety ho lasa ihany ve @ CAN 2004.
3. hery ( 14/05/2003 16:28)
Mbola tsy tena fantatra k'lou na ho lasa @ can ny gasy na tsia. Ho hita eo ny vokadalao manaraka. Mbola manana chance anakiroa.
4. randria2 ( 24/06/2003 17:46)
Tsy misy ny fahagagana : Madagascar 0 , Egypte 6.
Tsy vitan'ny petatoko sy vonjitavanandro raharaha io fa mila fanomanana matotra sy lavitrezaka tompoko. Tsy hoe afaka telo volana ny lalao dia androany vao hikoropaka etsy sy eroa.
Tsy haka ohatra ny ejipsiana aho fa ny sinoa no raisiko ohatra. Tsy misy fahagagana mihintsy ny niakaran'ny sinoa teo amin'ny dingana faran'ny fiadiana ny amboara eran-tany satria tamin'ny taona 1992 izy, mbola zaza ireny mpilalao ireny dia efa nofaniny sy nampianariny hilalao ho fanomanany ny lalao olympikan'ny taona 2000 nokasainy hatao tany aminy , saingy tsy tanteraka.
Dia ireny izy niakatra tany Korea sy Japana ireny. Fantatry ny razan'ny sinoa taiza moa izay baolina kitra, firy taona taorian'ny nijoroan'ny federasiona gasy ny sinoa vao nanao baolina, kanefa tafakatra izy na dia mbola osa aza.
Mampitaha lakana amin-jahatra raha ny ejipsiana sy ny gasy no ampitahaina, ny ejipsiana efa inefatra no tompondakan'i Afrika,
firy ireo ekipa ejipsiana mampihorohoro an'i Afrika (Zamalek, Ahly, Masry, Arab Contactors sy ny sisa) efa mipetraka ny rafitra rehetra misy ny mpisolo toerana sy ny taninketsa,mnaomboka hatrany amin'ny "possins", "minimes",
"cadets" ary ny "juniors".
Eo amin'ny fanomanan-tena izy mandranto lalao amin'ireo ekipa goavana tahaka ny Frantsay sy ny Danoa, na dia resy amin'ny isa mavesatra aza.
Ka raha tsy misy rafitra mazava hatramin'ny any @ kartie, ny fokontany, section, ligy ary ny federasiona, mirindra ny fifaninana eo amin'ny sokajin-taona rehetra.
Milaza indray isika fa ny tsy fisian"ny vola no olana, firenena mahantra ny zambiana tompoko, saingy mipetraka tsara ny azy ny rafitra fitantanana ny baolina kitra, raharaham-panjakana ny baolina kitra, dia mandeha tsara ny azy.
Rehefa misy ny an'ny olona ny tsy mety dia miara-mizaka ny tsy fahombiazana. Ny antsika hifanilika andraikitra sy mitady "bouc émissaire" araka ny fitenim-bazaha.
Porofo mitohoka amin'ny tendany, resin-tsika taty ny Madagasikara ny ejipsiana, nirehitra ny hatezeran'ny mpanohana, tongso-tseza iray sisa nitazona ny toeran'ny mapanazatra. Noraisina ireo tsikera rehetra, nandranto lalao iraisam-pirenena ary niezaka hanarina ny tsy mety , dia resin'i danemark sy Frantsa tamin'ny isa mavesatra, narenina ny lesoka dia ireny ny vokany.
Ny fametrahana rafitra mazava sy ny fitantanana mahomby no vahaolana hatrany amin'ny sokajy "poussins". Ataovy izay hampiroborobo ny sekoly fianarana toy nany Antsirabe. Karakarao ireny AJESAIA katika kelintsika ireny fa azo antenaina ny hiakarantsika any amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany isika afaka 12 taona.
Vita tompoko.
5. dd ( 25/06/2003 15:41)
Misaotra anao randria2, fa tena mafonja ny hevitrao. Misy hotsakotsakoina sy halalinina, ary enga anie ho tonga any amin'ny mpitantana isantsokajiny, mba hitondra vokatsoa.
Mirary soa hatrany
6. amoureus ( 04/07/2003 08:41)
mankafy baolina ny tena ka mba hiresaka kely.AZa akiviana sahady ny ekipantsika fa ho avy anie ny fifanintsanana ny mondial e!
7. randria2 ( 08/07/2003 18:42)
Tsy misy fanakiviana fa mila atrehina ny zava-misy marina, ilaina ny "réalisme" hoy ny vazaha fa tsy vitan'ny revirevy sy nofinofy fotsiny akory izany hoe fiadiana ny amboara eran-tany izany.
Ianao manonofy milalao ao amin'ny kianja olympikan'i Munich amin'ny 2006 kanefa i Bénin aza mbola tsy fantatra nao horesinao na tsia.
Ny baolina miditra any anaty haraton'ny mpifaninana amin'ny tena ihany no isaina fa tsy ny nofinofy sy ny fanaovana ariary zato am-pandriana akory. Mila fiezahana sy fandraisana andraikitry ny tsirairay io.
8. ranix ( 10/07/2003 15:19)
Ny baolina kitra malagasy ve no hasiana resaka ? Efa mba betsaka ihany izay atao hoe fanampiana toy ireny ohatra ny nataon'ny Tiko taloha ireny , ny fanihanana arabola isankarazany , ny adidin'ny Fédération sy ny nataon'ny fanjakana ary indrindra ireo ataon'ny Mpijery isakyny misy lalao sns....e! Nefa aiza ny vokany? toa mahakivy amin'ny farany raha toa izao foana kosa ny vokatra . Tsy hay intsony fa lazaina hoe ny entra
9. ranix ( 10/07/2003 15:19)
Ny baolina kitra malagasy ve no hasiana resaka ? Efa mba betsaka ihany izay atao hoe fanampiana toy ireny ohatra ny nataon'ny Tiko taloha ireny , ny fanihanana arabola isankarazany , ny adidin'ny Fédération sy ny nataon'ny fanjakana ary indrindra ireo ataon'ny Mpijery isakyny misy lalao sns....e! Nefa aiza ny vokany? toa mahakivy amin'ny farany raha toa izao foana kosa ny vokatra . Tsy hay intsony fa lazaina hoe ny entra
10. ranix ( 10/07/2003 15:32)
Lazaina hoe ny entraineur no fôpla nefa raha ny fahitako azy mba manao izay azony atao ihany izy Raha ny eritreritrareo ve de naleony nankaty antany lavitra be aty nandao nyfianakams sy ny rehetra raha tsy hanao ny asany tsara izy? Efa hitako manome techniques maro izy sns e!Nefa toa atao tsinotsinona rehefa mahazo vokatra ratsy isika ary de ny sasany izany tena milaza fa ny entraineur no tsssss......Aleo mba asiana resaka kely koa ny joueurs e! Raha toa moa ka manome techniques ny entraineur nefa tsy mahay mampiantra izany ny joueurs de tsy misy dikany koa anie izany e! Raha ny fahitako ilay baolina farany tany Egypte teo aloa de angamba hoy aho tsy ampy fanazarana ny Goal fa haiza ve ka baolina aty akaikiny Centre de maty foana sa kosa ny Défenses no ...Raha i Mamisoa aloa hitako tsara ny nataony fa tena mba nanezaka izy e nefa....Ka raha jerena de toa tena tsy lasa mihinsty e!!!
Avy eo hoy ny fédération hoe tapitra ny fepotoana nilana ny entraineur ; Ary feotoana nilana ny Féderation ve mbola tsy tapitra ihany ? Efa betsaka ny resaka nandea t@ taloha momba io Fédération io : ny asa vitany , ny volat@ lalao baolina rehetra teo Mahamasin a sns...e! Ka izao indray izany de soloina ny entraineur . Aleo angamba nanova joueurs mihintsy sy manova ireo tomponandraikitra rehetra aloa fa toa ireo no tena tsss.....ka raha ny fahitako azy na i Ronaldo na iRivaldo na i Michel Platini na iza na iza no entraineur eo , efa betsaka ihany mantsy ny entraineur teo fa toa mazana ratsy foana ny vokatra ka asa na hanao ahoana indray nybaolina kitra ato hoato @ io hevitriry zareo Féderation io?,
Izay ary aloa e!Ny ajesaya izao no hitako fa tokony hotohanana sa tsy izany ! ireo notoa mahavoa noho ireto lehibe ireto koh!
11. xxx ( 10/07/2003 16:07)
Ny zavatra tiako ho lazaina de izao:raha eto Gasikara de tsy mbola lavitra be zany hoe hahatafita antsika zany.Betsaka mantsy ny fepetra ahatongavana amin'zany,ohatra akaiky ny tambi-karama omena ny mpilalao,efa nisy ihany izy io saigy hoe raha tsy maharesy de tsy omena.Na ny miheno an'zany fotsiny aza de efa mahasorena.Ny tena mpilalao ndray no tsy mahazo zay mba motivation-ny fa ny ngezalahy eo ambony latabatra de mihinam-bola fotsiny.Reo ajesaia reo anie rehefa lehibe eo dia tsy hita akory zay ataony satria ngamba efa vory saina izy amin'izany de manao ze tiany atao satria araka ny voalazako teo dia tsy ao mihitsy le motivation.Zany akory tsy midika hoe ataovy mitovy @ any an-dafy fa ze sahaza azy reo e.
12. hoditrakondro ( 12/11/2003 10:42)
zah ihany ity e! Fa ny tena marina dia ny kianja hilalaovana no tsy lafatra ka na mahay aza ny mpilalao, mitsambôl aloha ny bikina fona e.
13. zizou ( 11/12/2003 19:54)
Io baolina io de izao e tsy ny entraineur,filohan' ny federasiona sy ny staff techniqune no milalao fa izy 11 lahy eo ambonin' ny kianja ka raha vao misy na iray monja aza eo tsy manana ny atout rehetra iatrehana ny 90 mmn de efa tsy mety io.Ny 4 derniers matchs scorpions za nijery foana avy aty frantsa fa tena tsy manana rage de vaincre ry zala reo efa tena tokony hisolo daholo
14. emy ( 11/12/2003 13:58)
Ka zao ange e:
Aona moa no ahafahan'ny mpianatra iray fanadinana raha ny tontolo manodidina anazy tsy milamina na de ataoko oe mahay aza izy ! Aiza no ahafahany mampihatra zay fahaizany zay!?
Refa tsy milamina ny tontolo manodidina ny zavatra atao de betsaka ny salam-pahombiazana e !
Mety marina zany oe tsy misy rage de vaincre zany fa aiza mou hidevelopper na an'izany refa eto satria ny lehibe miady, ny olona tokony entina tsy alefa sns e ... !
Efa tena miezaka ireo bandy kely reo !

Soroka miaramilanja anefa izy io vao
ahitana fahombiazana e !
15. fijo ( 12/12/2003 16:46)
mahay baolina ny gasy rahery fa tsy ampy rafitra.
16. xxx ( 16/12/2003 17:10)
Ny pbl ny kitra malagasy (scorpions) de ny federasiona mihintsy e ! io no tokony ravana hatrany ifotony mihintsy.
Eo amin'ny fifatenana ny bandy tokony alaina d tokony hisy selectionneur manokana mihintsy fa tsy ny ao amin'ny federasiona no manao ny selection de ze tiany sy ze mety hakany vola ihany no tafiditra ao. D aiza izany le tena mahay. D ohatran'izany fôna anie hatramin'izay ka hatramin'izao e ! sahirana mihintsy ny entraineur.
Io federasiona io mihintsy no tena fototra tsy mampandeha ny scorpions-tsika, ny fitiavan'ireo vola, jereo tsara fa le 7 efa ni-demission daholo ireo niverina ireo indray.
17. xxx ( 16/12/2003 17:13)
Jereo tsara indray anie amin'ny Cosafa Castel Cup amin'ny herintaona raha tsy betsaka indray ny bandy vao2 ao e ! Satria resahina ireny hoe ampidiriko ao amin'ny scorpions raha manome vola de zay. Ny bandy kely ko satriny aza fa sady mahita tany izy no mi-lancer ny tenany.
18. xxx ( 13/01/2004 15:16)
marina ny any x eto ambony tokony raha anolo ihany dia jerena izay tena mba matotra eny ambony terrain .Ny mampalahelo koa dia fa naleon'ny lehibe nijery irep gaul tsy matotra ireo toy izay nitondra ny emamy nefa t@ za mbola tany iny no 1er gaul taitra aho fa tsy voahantso intsony hono nefa tena gaul nilaina mihintsy iny matotra sady tena tao anaty ny nilana azy mihintsy e! ka asa na ho antsoina na ahoana fa reto gaul ireto tena hita fa mbola tsy matotra na eo ary ny defense ilaina koa anie izy ireo e!
19. ronaldo09 ( 13/08/2004 19:21)
Amiko manokana aloha ,ny baolina kitra malagasy manana ny ho aviny saingy eo amin'ny fitatanana nho mila fanamboarana sy fijerena akaiky .Marina fa hatramizao i m/car mbola tsy hita taratra na eo amin'ny sehatra afrikanina na eo amin'ny sehatra eran-tany saingy isika afaka mampivoatra ny baolina kitra raha tsy ampiarahana amina politika izy io .
Hitantsika fa taloha ange ka tsy dia hita taratra firy ny ekipa Senegalais fa raha nanova tetikady ry zareo nanomboka tamin'ny taona 2000 ireny ny vokatra ,iza moa no nanam-po fa i Senegal ho tafakatra amina lalao 1/4 eo amin'ny mondial ?manaraka izay ny fahagagana nataon'i Grece t@ Euro farany teo tsy nisy mihitsy ny nanam-po fa ry zareo no hibata ny amboara nefa ireny no zava-misy
Vitan'ny olona ve tsy ho vitan-tsika ?Vita fa saingy izao aoka ny federation tsy hijabaka amina asan'ny Mpanazatra fa tokony ho ny mpanazatra no masimandidy toy ny t@andron'i Ntsoa izay tena namirapiratan'ny Scorpion satria izy tsy manaiky ho baikoina amin'ny fametrahana mpilalao eny ambony kianja ,faharoa aoka mba ho hentitra ny federasionina amin'ireo mpilalao matihanina satria maro amin'izy ireny koa ny mapifilafila ,eo ihany koa ny mba tokony hisian'nylalao iraisam-pirenena (match amicale) fa tsy hianona fotsiny amin'ny lalao ny samy eto antoerana .Farany rehefa handany vola ihany ve tsy aleo maka mpanazatra vahiny manana ny maha izy azy raha toa ka tsy mamely ny mpanazatra gasy ,ary saika hadinoko fa mba eo ihany koa ny tokony hanomezana tambiny an'ireo mpilalao hahambony ny moral-ny
Izay no mba azoko ambara amin'ny maha mpitia baolina kitra ahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1483