Hatao inona ny namana?

1. xxx ( 03/05/2003 12:04)
Hatao inona ity takelaka ity? Hitadiavana namana sa hitadiavana vady? Marina fa mety hisy ny fitiavana fa betsaka ny finamanana mety miforona eto. Na arak'asa izany, na ara-pivelomana, na ara-pinoana, na ara-politika... na ara-pitiavana na fanambadiana koa. Asa aloha fa tsy tokony tonga dia hiaviavy hikôty ny lehilahy rehefa tonga eto. Misy endrika maro azo hinamanana. Raha tena namana tokoa.
novalian'i six ny 03/03/2004 19:14
2. rina ( 03/05/2003 15:19)
Hifanakalozana hevitra.
Hifanampy raha misy azo hifanampiana.
Hizarana ny hafaliana sy ny alahelo raha misy izany.
Hitarainana.
Hifampizarana ny tsiambaratelo ihany koa raha azo atao.
Hanitsy sy hanoro lalana raha misy tsy mety atao.

Ambonin'izany rehetra izany anefa dia tokony hisy ny fifanajàna sy fifampitokisana ary koa fahatsorana ihany koa angaha.
Mbola mety hisy zavatra hafa ihany koa anefa mety hanampy izany.

3. maminiaina ( 29/06/2003 08:43)
ny namana dia arena sarobiby , henoy fotsiny lay hiran'i Tsiatoraka moa izy iny ?
4. kally ( 10/09/2003 19:42)
Ity takelaka ity ve no anontanianao hoe atao inona e?Betsaka ny ilàna azy,maanry dia,mifanerasera,fakàna vaovao,raha te-hitady avdy ve ka mahita ao moa,inona no maharatsy an'izany?
5. rfanjav ( 10/10/2003 14:54)
Na dia ifandraisan'ny samy malagasy fotsiny ve tsy efa zava-dehibe?
Indrindra ho fampaherezana ireo izay any an-tany lavitra any.
Ny resaka vady indray, safidin'ny namana tsirairay izany, ary tsy misy afaka manery azy @ izany!

raha tafaray ve ny tia sy ny manina, maninona moa?
6. fijo ( 13/11/2003 20:32)
izany mihintsy ka.namana aloha;avy eo iananreo mivoaka raha mafana ny ato an-trano.
7. isrine ( 13/11/2003 11:07)
Salut!
Zany izy hoe namana.serasera; tsy misy zavatra betsaka azo anampiana azy tsony e. Fa ny ahy ny eto @ forum no tena tiko fa eto no ahitana ny tena namana, fa ny hevitra iray manontolo no hita eto, raha toa ka tsy teraka sous-X ry zareo.
8. taratra ( 16/02/2004 18:04)
tsy aiko ze anambarako zay evitro @ io.
efa voalazanao daholo ny marina.
fa fanamariana fotsiny.
oe aza mandingana n'io soso-kevitra io ianareo.
io no marina zany e
9. six ( 03/03/2004 19:14)
ie, fa izao anie honoe,
sangisangy no lasa ady
ary ny namanamana no lasa vady
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3005