Ny boys band sy ny Mpiondana

1. radd ( 30/04/2003 09:56)
Tena mahagaga ahy mihitsy ny tsy fifankazoan'ireo mpiangaly ny haintso haintso eto @ tanàna @ ireo mpihira boys band.
Efa fantatry ny be sy ny maro @ izao fa zavatra samy hafa no iangalian'izy roa tonta ireo ( izay mantsy no tena tadiavan-dry zareo mpanao hh hatra@) , koa maninona raha tsy mifanenjika sy mifamely @ alalan'ny tononkira intsony????
2. eugene ( 30/04/2003 12:27)
Azon'i radd azavaina ve hoe inona no iangalian'ireo fa tsy haiko? toa ny boysband ihany no mihira hh hitako.
3. fidia ( 02/05/2003 15:16)
tsy dia azoazoko lotra le resaka rap, tsy mety ve raha mba manao zavatra hafa tsy maka tahaka, fa mamorona, na koa hoe mamorona gadona avy rap avy amin'ny zava-maneno vita eto an-toerana, azo atao angamba zany, deraina manokana le hoe fanantenana Da- hop, zay ahitana tsara ny fampiarahana valiha sy ny gadona rap ao anatiny
4. levondraky ( 06/05/2003 15:10)
Safidy io r'i nao a! Tsy hoe rehefa maka tahaka dia tsy milay. Aza hadino fa nosy no ipetrahatsika. Ireny fakana tahaka ireny dia anisan'ny fomba ahatsapan'ny gasy fa mifandray amin'ny any ivelany izay lavitra azy izy, noho izany maharaka ny 'mondialisation' na dia aty amin'ny gisitra aza. Raha tsy maka tahaka isika dia eo no raisina. Saningy na Rap aza no atao dia jereo fa hita foana ny aingam-panahy gasy. Sahalan'ny hoe na hiran'olona aza no hirain'ilay Rasta mpanao politika sady mpihira taloha iny dia mora fantatra ny fihirany sy ny fandrindrany zava-maneno. Ny hiriko dia tsisy rombo amin-dry bôgôsy (bb) sy ry be kiraro (hh). Enga anie ka ho tanteraka izany
5. login ( 07/05/2003 08:05)
ka le boyz bandy tsy de manana aingampanahy firy de mangalatra ny an'ny HH .
6. taxbota ( 21/05/2003 12:22)
marina izany ry login ah! ny boysband tsy manana aingampanahy,sady magalatra fekajonah rapeur.Dé BIG UP DAHOLO eh!
7. xxx ( 01/06/2003 14:20)
Diso kosa nareo rizalahy fa mialona ny laza azon'ny boyz band angamba ny mpiangaly rap e !

Sasanangy samihafa zany ! Fa raha ohatra tena favy ny mpanao rap de zay ahalasa ambony ny zavatra ataony no atao ! raha mangala tahaka ny boyz band de manao style hafa nareo rappeurs de masaka ange eeeee !
8. xxx ( 04/06/2003 19:24)

Efa hita mitsy ny bandy kely sy sipa kely @izao fa tsy dia ampy kely raha resaka rap sy boys band avy no mahatonga korontana!Asio lalana mamoana an'irany rangaha rehefa izany no izy kle!
9. xxx ( 09/07/2003 14:47)
ny tanjona dia tsy ny hoe ho tafakatra avo fa rehefa miangaly azy fotsiny dia efa norm ary izay napetraky ny mpiondana dia tsy tokony hangalarin' ny boys band
fa raha ohatra ka ny zavatr' ialahy ve no angalariko dia ho faly ve ialahy????????
10. xxx ( 10/07/2003 15:45)
Rehefa tsy ny vadiko fotsiny no angalarin'elahy de tsy rarahako
11. mahaizamifidy ( 23/09/2003 12:07)
Marina izanyyyyy, rehefa tsy manembatsembana ny fiainanay fotsiny ny boys band sy mpiondanareo de tsy misy resaka io, mijery anareo hoentiny sisa angamba no mety hataonay.
12. mahaizamifidy ( 23/09/2003 12:11)
Ny hiran ny ihany ry namana dia mahalaza azy.
13. xxx ( 28/10/2003 13:48)
zao ry zalah,laisany rappeur letsy mbô ataovy milay koa ny an'klisany an!rehefa mila io de mande ny zavatra rehetra.
ny andry zalah Boys band zao tsy miraharaha an'lisany izy de mande tsar ny azy, mahazaka kil bdb ry zalah ao Antsahamanitra fa lisany rappeur faly mifanaratsy fotsiny de tsy mahavita zavatra tsara sy ngôda!
14. bonetra ( 24/11/2003 09:50)
Le izy zany de hevitra maro no azo lazaina aminy eh , tompony ela manohana tsy tompony ela tsy manohana.tsy aiko marina fa mety misy mialona BB ny rappeur sasany, ekena io satria samy artista reo zany hoe misy "concurrence" .Ny rappeur sasany koa moa dia hoe tsy tia BB fa mba fantatrao moa inn ny antony tsy hitiavanao BB ? Raha izaho aloha de tsy manaiky aho eh ,tsy fantatro akory ve antony tsy hitiavako olona sa ahoann? izay aloha ..........
Misaotra an' i TST manafana ilay RAP ;-p
bonetra teo @ mic
15. rinakely1 ( 29/11/2003 13:45)
fiainana daholo leitsy zany ry dd an!
Na tsara ataonao na ratsy d eo fa ny mpanenjika!!!!!!!!!
16. lohalaharana ( 03/12/2003 18:51)
zany an§§§
marina tokoa aloha izany eh :twisted:
17. mouvoka ( 14/12/2003 20:33)
Fa ianareo izany mieritreritra fa ny boizybandy tsy miondana ? Samia lesy manao izay danin'ny kibony fa ny mpankafy no aleo hisafidy a.
18. radd ( 23/12/2003 10:17)
Raha azoko tsara izany le zavatra : izay mankafy dia mankafy ary izay tsy tia dia tsy tia fotsiny tsotra izao... Samy maka ny anjarany izany
19. marj ( 15/03/2004 17:48)
iza ary zao no maresy raha ity 2004 ity no resahana e
ny boys band v sa ny hh?
20. xxx ( 27/10/2005 10:49)
izao mifaninaninana izao ihany no mahavoa anareo, maninona raha tsy samy manao tsara e! tsy mifanenjika, aiza koa na ny fiainana andavanandro aza dia fifanenjehana foana hatramin ny politika!! lalina izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5705