Atao ohatrinona ny cyber?

1. hery ( 25/04/2003 15:58)
Asa na misy mpitantana cybercafé eto amintsika fa raha ny fahitako ny vidin'ny 1 minitra amin'izao fotoana izao izay 100fmg izay tena sahaza ho an'ny mpijery dia mety ho fatiantoka ho an'ny mpikarakara. Mahazo tombony ihany ve nareo ireo?
novalian'i fyjl ny 02/08/2004 15:21
2. xxx ( 26/04/2003 17:23)
Le mpijery ve ny mahazo tombony sa le cybercafé!!inn no tinao lazaina?raha amiko aloha dia le mpijery no mahazo tombony e!!
3. maka misa ( 26/04/2003 12:01)
izany any amin'ny cyber izany ary efa mora anie fa raha ianao no mampiditra internet any an-trano dia 200fmg ny minitra e.
4. jacquis ( 26/04/2003 15:19)
tsy maintsy atao izay marimaritra hiraisana na ny tompony ny mpijery matoa ny cyber manao an'io 100fmg/mn io dia misy tombiny ho azy io
5. dd ( 03/05/2003 08:41)
210.000F /semaine raha 5h isan'andro ianao no connecté? hummm! iza ary @ izany no hahazo tombony? imaginer-o hoe tsy olona iray no manao io 210.000F io, mety ho ny kil no mahazo tombony @ izay, fa raha 10 amin'ny kil kosa no mihevitra ny hanao connection toa io, dia siora fa ilay mpitantana no hahazo ny tombony e!
asa aloha, hevitra ny ahy iny ... ka raha mazoto ny hanao cybercafe dia alao ambony alao ambany, tsy amin'ny andro vitsivitsy no hahazoana tombony raha izay no tanjona, ... sehatra iray eto @ namana ahitako ohatra iray fa efa mihabetsaka ny connecté avy aty M/car, izany hoe mampiasa connection cyber na autres, mety ho tsara raha mivondrona bebe kokoa hampihena hatrany io 100F/mn io, ... coté mpi-surf indray ity.
Efa mba nanao etude kely an'io mantsy ny aty ka raha misy manan-kevitra dia manorata e!
dd=dr
6. rrodin ( 06/05/2003 11:43)
Ka izy ity anie toa vavan-kisoa misy sira eh... asakasaky ny mpihinana... matoa io no ampiharina dia METY ho an'ny mpanolotra... fa ny mpandray (mpi-surf) no misaina... rehefa zakan'ny tsena ve tsy hidirana?
7. jahary ( 24/05/2003 08:24)
atao oatrinona ny cybercafé?raha amiko dia tokony ho 170Fmg.Ary eto aho de miantso ireo manana cyber hihevitra an'io fa tena voa ianareo!Efa lasa consommation courante io nefa ny prix-ny fournisseur d'accès lafo be .Tokony hifandinika ianareo mpitantana cyber!URGENT IO
8. vainn ( 17/06/2003 09:56)
ny blème ange de tsy ny prix é fa ny vitesse! ka raha hanao 170 Fmg ianao na hanao 200 Fmg tsy olaa zany fa misy olona fona tonga ao aminao saingy raha toa ka latsaka ny 128 Mbs ny vitesse-nao @zao fotoana izao de ilaozan'ny olona ianao.....hanao mora lazainy fa matoa mora dia miadana ny vitesse! hanao lafo lazainy fa henjana loatra. Amiko tokony ho betsaka mitsy aloha ny provider fa raha mbola ireo anankiroa ireo fona no eo dia ho sahirana daholoo isika. rehefa be manko ny mpifaninana dia afaka mamritra ny tianaoo hitondrana ny tarif nao ianao!........fa raha @ izao aloha dia zakan'ny fahefa-mividy ny 100 Fmg na 90 Fmg ny tarif!
ny ambaninizay dia mety hamono antoka ihany!
9. rfanjav ( 10/10/2003 17:39)
Raha hoe internet fotsiny no ataonao ao @ cybercafé dia maty antoka tanteraka mihitsy @ izany 100 fmg izany!
Indrindra moa ka vitsivitsy fotsiny ny machine ampiasaina ao!
ny facture ny jirama mbola etsy an-daniny,
Fa tsy maintsy mitady zavatra hafa azahoam-bola ankoatran'io ianao hamenoana azy, ohatra fotsiny ny photocopie, saisie, téléphone, sy ny sisa e, varotra consommable koa!
10. ariary ( 14/11/2003 10:16)
Andeha hanao fampitahana kely @ vidin'ny connexion aty France isika.
Raha abonnement ligne classique dia eo @ 30-40 FMG eo ho eo ny 1 minitra, izany hoe 60 - 70% mora noho ny tarif cyber malagasy. Amiko tsy ny vidin'ny cyber no tokony hampitomboina fa ny vidin'ny FOURNISSEURS izay hita fa lafo loatra no tokony hahena be dia be.


11. latino ( 09/12/2003 19:25)
raha amiko manokana aloha dia tena lafo mihitsy aloha ny cyber eto amintsika satria raha ampitahana aty aminay aty aloha dia,ny anay aloha 2 livre egyptien par huere raha ampitahana aminy vola gasy izany dia eo aminy 2500 fmg par heure,ka izany ny atony mahalafo ny aty amintsika aloha.
150 na 100 fmg malagasy par min izany aloha dia mbola lavitr'ezaka isika malagasy aloha!!!
raha ampitaha izany dia ny aty aloha dia eo aminy 25 fmg par min eo! no eo! izany.
12. aly ( 03/01/2004 17:08)
Ny adinonareo dia 15minutes minimum ny connection fa tsy 1 na 2 minitra akory. Io mba takitry ny havana tsy ampy karama.Amiko io tena mety satria izaho izao mba mifanoratra isankerinandro any dago mba mahazo vaovao amin'ny fianakaviana . dia mandany eo amin'ny 10 000 fmg eo izy isambolana dia mba efa tsara
ary aza adino fa en réseau ireo poste folo ireo pour une seule connection dia gagnant malalaka tsra ny tompony
Tohizo fa tsara dia mbola hitombo ny olona hanao cyber dia mandroso e
13. besoiiin ( 26/01/2004 12:03)
vainn: tsy possibl ny cyber manana connexion 128 K izany eto @ tanana! tsy voahefan'ny cyber ny location an'izany débit izany! ny farany ambany indrindra izao dia any @ 2.000.000 fmg any ho any ny forfait ho an'ny bleu line / mois kanefa misondrotra be io rehefa maro ny mi connect! io anefa ny mora ka ataovy ny compte fa ireo no mahasahy manao 75 fmg / mn kanefa tsarovy fa tena lent be ny connexion! ny dts indray eo @ 5.000.000 fmg/mois eo! io mba rapide ny connexion satria tsara ilay support ! ireo indray ilay manao 100f/mn matetika! ary ataovy ny kajy fa mahazo tombony ry lerony matoa mbola be panao:
14. aladin ( 23/02/2004 16:34)
Ie! tena mahazo tombony b db aloha ireny cyber ireny e!fa misy fetsy an!ny connection efa mitarazoka ny machine mbola kely RAM ihany de vao mainka eleB
15. aladin ( 23/02/2004 16:35)
Ie! tena mahazo tombony b db aloha ireny cyber ireny e!fa misy fetsy an!ny connection efa mitarazoka ny machine mbola kely RAM ihany de vao mainka eleB
16. aladin ( 23/02/2004 16:39)
Ie! tena mahazo tombony b db aloha ireny cyber ireny e!fa misy fetsy an!ny connection efa mitarazoka ny machine mbola kely RAM ihany de vao mainka eleB
17. fyjl ( 02/08/2004 15:21)
Tokony hifanentana ny qualité de service sy ny prix ka.
Fantatra zao fa hiakatra indray ny frais de connexion ka mino aho fa hiakatra koa ny tarif cyber
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.292