Tsy maintsy hanambady?

1. xxx ( 15/04/2003 19:10)
Fotoana efa mahalehibe ahy izao. Kanefa isaky ny mahita vehivavy iarahana aho dia tonga dia vady foana no eritreretiny. Dia tsy maintsy izany foana ve? Izaho anefa mbola tsy vonona amin'izany satria mbola misy roa taona ny fianarana ka ao anatin'izay roa taona izay aho mety hahita tsaratsara kokoa.
novalian'i shala ny 02/10/2013 06:40
2. xxx ( 15/04/2003 19:30)
Tsaratsara kokoa ahoana moa no teneninao ? Tsara tarehy kokoa ? Sa tsara fari-piainana na fari-pahaizana ? Sa toetra ? Mbola tsy tena tia marina ianao ka rariny raha mbola tsy te-hanambady. Na ho vita aza ny fianaranao raha mbola tsy tojo ilay tena tiana ianao dia mangalà fotoana tsara hitadiavana ilay "tsaratsara kokoa". Tandremo ary sao fatra-pifidy ny manganana...
3. xxx ( 15/04/2003 19:53)
Nga enao tsy misy azon-damosina? Ka na tonga dia vady foana ny eritreretiny rehefa tsy manaiky ianao dia afaka anao inona izy. Ohatran'ny tsy lehilahy ianao io!! Rehefa tsy mety izy fa vady foana dia isaraho avy hatrany!misy fanontaniana apetrako aminao hoe: mety mahita tsaratsara ahoana ny tinao holazaina kay?zay fa mahereza eee.....
4. leandry ( 15/04/2003 09:52)
Noho ny fahasarotan'ny fiainana dia
mitady sureté ny vehivavy ankahitriny. Tsy te-hifandany zara
fahatany aminao izy, fa fotoana tokony hahitany hafa hianteharany kosa ve ho laniany aminao eo! Ka
izany no antony iresahan-dry zareo aminao hoe fanambadiana. Raha
manaiky ianao fa hanambady azy
dia mitoetra miaraka aminao izy, raha tsy izay kosa dia veloma hatreo ny fiarahana.
5. xxx ( 29/04/2003 11:59)
Ny lehilahy tsy mampaninona azy no miarakaraka mifandany andro eny, fa ho an ny vehivavy kosa matoa miaraka dia misy tanjona.Hono oa raha mbola hitady sy hanantena tsaratsara kokoa ianao, maninona no nanadala azy fa tsy navela izy mba hitady ny sahaza azy koa.
6. levondraky ( 06/05/2003 13:10)
Tantara kely fotsiny ny ahy. Misy rahalahy iray izay (zanak'olona mpirahavavy aminay) nanana tovovavy maro nifandimby niaraka taminy nandritra ny fotoana ela. Samy tsara sy manana ny maha izy azy daholo ny ankabeazany. Rehefa nahazoazo taona Razokiny dia nanapa-kevitra fa hanambady. Ahazo an'izay ranaotra bala-maso sady bangaridana izay izy. Tsy angano io fa tantara.
7. xxx ( 10/05/2003 16:15)
Raha izaho aloha ianao dia aleo tsy manao sipa mihitsy fa mampijaly olona fotsiny izany raha toa ve izy ka efa natokany ho anao manotolo ny fitiavany nefa avy eo indray lavinao tsy mampalahelo izany. Tandremo fa hoy ny ohabolan'ny Ntaolo hoe "Raha tody paty aza manody fa raha tody pitia manodiava" Koa aza lanianao kosa ny fahatanorany raha tsy vonona ny mbola hanambady ianao e.
Mahereza dia aza mandratra fon'olona.
8. miranah ( 22/05/2003 12:09)
mandiniha tsara aloha vao manambady, anefa aza dia be critères loatra fa mijaly ny lehilahy hoe après la trentaine vao "mitady" vady. surtout raha hoe manampahaizana ianao
9. nils ( 27/05/2003 11:41)
nahoana moa no lazaina fa mijaly ny lehilahy mitady vady apres trentaine?Nijaly foana izy nitady an'io hatramin'ny fotoana nieritreretany hitady ka mandra-pahitany ary sanatria koa mbola mety tsy afapo t@zay lasany dia mbola hijaly @zany foana. Fa aminareo iza no manao ny tsy mety, ny vehivav izay tsy te hisahirana fa vao misy mifandray kely aminy dia manametatra, mamariparitra, mametraka baorina...sa ny lehilah izay tsy mety afapo @ izay hitany fa mitady ny tsaratsara kokoa hatrany amin'ny safidiny. Dia hoe koa iza no tena tia tena @zany? Ny itovizana kosa dia izao samy sarotiny @ io na ny lah na ny vav, ka hoy aho hoe mahaiza mitady.
10. xxx ( 09/06/2003 14:55)
ô ry zama an ka refa mbola tsy mazoto de aza miditra eh aleo klou sola ny loha vô mitaiza fa ny tain-jaza kou nge mety hampaniry volo ihany eh !

de aleo antitra ampijoroana ka ny atahorako ahahazo koksa lany contrat nareo
11. nata ( 10/06/2003 08:09)
Rehefa tsy bola vonona alo d aza miditra mitsy!refa ny fenarana no ambony@nao fa refa vita ny fenarana zay vao midira fa anjary reraka eo fotsiny enao!!refa ny laharampanomehana eo@fiaiananao ny fenarana d zay alo atao fa refa aveo tonga ho azy eo ihany io!fa tsy misy manahirana zany eo@fiainana na efa trentaine aza enao!!refa zay no hitano fa tsara alo zao eo@nao ny mianatra d zay alo hifoncéna!d aveo hitano eo ihany!
Mazotoa!!
12. xxx ( 07/07/2003 10:01)
Aza variana laotra fotsiny ny lehilahy fa eo 35 ans anie mbola antoniny raha hanambady, fa ny vehivavy kosa dia mba any 20 ans aloha mety e!tsika vehivavy mantsy dia hatohorana sao tsy miteraka eo indray raha diso be taona laotra ny tena marina.
13. xxx ( 07/07/2003 14:48)
anao io lezama mampitokiky zaho.ataovy tsarabe fianaranao, raha hefanao manaova ihany sipa mba hahitanao ny lafi-ratsin'ny manangy ( entrainement io le zama ) .aza manaiky fatoran'olona @ fanambadiana 'zany.
Tandremo 'nefa ny SIDA!
14. tonton ( 23/08/2003 16:44)
io ndray aloha ry zareo dia samy manana ny reviny fa ny an\'i rzoky eo ambony ange mbola hitany hoe ny bosy ambony nohon\'ny joba e , ary ho hitanao razoky fa rehefa manambady ianao vao mahita hoe tsara ny any ivelany , sady matetika marina rehefa mampifila dia any @ bon tsy tsara sady tsy ratsy e , tsy misy olo ratsy anie fa ny fijerintsika azy no samy hafa e
15. xxx ( 24/08/2003 18:37)
Tsy azoko mihitsy izay mampisisika ny Sipa @ izany hanambady izany.Na tsy manana situation aza ny bandy dia izany hanambady izany foana.Fa hovelomina amin'inona ary izy.Fa izao fotsiny:tandremo sao dia manao bevohoka izy dia izay no araraotiny.Tsy tokony hiditra @ izany fanambadiana izany raha tsy tena vonona @ rehetra.Rehefa manambady dia tokony hovonona ny zavatra rehetra .
16. hendry ( 19/12/2003 16:58)
Ny zavatra tsy azonareo lehilahy anie dia ity e: tsy hoe akory raha vao manontany ilay vehivavy hoe hanambady azy sa tsia dia midika zay hoe vady eo noho eo. Misy anie mba te hanana assurance fotsiny ahafahany mandinika ny tokony atao sy ny tanjona eo @ ilay fiarahana e. Ny valin-teninareo lehilahy hoe manam-pikasana ny haka vady dia ampy fa tsy voatery eo noho eo akory zany.
17. shala ( 02/10/2013 06:40)
raha mbl meritreritr ny itady tsara2 ianao d aza lalina kos n fatanorany e!teneno azy f mbola ts vonona fotsiny ianao f aza ratrana fony fa mafy anie io e!ny tody ko ony anie ts mis fa ny atao no miverin e!en plus enao mbola mianatra,mitandrema f mbola olava ny andro iainana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.201