inona no ataoko?

1. xxx ( 14/04/2003 08:50)
Tsy tia ahy io vehivavy io taloha.Nitory fitiavana tamin'io vehivavy io ao taloha de tsy nanaiky izy de zaho koa tsy nisisika.Kanjo ankehitriny nony ny niaraka tamin'ny vehivavy hafa aho dia zay izy vao nanaiky niaraka tamiko nefa tsy hitako izay atao amin'izao.inona no ataoko?
2. xxx ( 14/04/2003 09:08)
ouy ! mandinika aloha vao mipataloha ! soa dé ny aoriana no lasa aloha !
3. xxx ( 14/04/2003 11:35)
Tsy vahaolana izany an'i xxxxxxxxx izany. Ampatsiahivo azy hoe naninona no tsy tia izy dia naninona no nanjary tia indray. Sao mantsy dia intérêt fotsiny.
4. njara ( 14/04/2003 11:47)
Hitanao rehafa tsy nisisika ianao ka niaraka t@ olona hafa vao nitady hiaraka aminao izy, de jereo fa misy zavatra hafahafa ao, mety ho marina le an'ireo anonyme ireo mety ho diso ihany koa. Fomba n'ireo vehivavy ireo koa anie indraindray le mamilafila e, mody tsy tia zany zareo nefa ny ao ampony ao efa ho vaky mihintsy de rehefa hitany ary enao hoe miaraka @ olona hafa ka tsy miraika aminy intsony de eo izy vo tonga saina.
mahereza
5. njara ( 14/04/2003 11:48)
Hitanao rehafa tsy nisisika ianao ka niaraka t@ olona hafa vao nitady hiaraka aminao izy, de jereo fa misy zavatra hafahafa ao, mety ho marina le an'ireo anonyme ireo mety ho diso ihany koa. Fomba n'ireo vehivavy ireo koa anie indraindray le mamilafila e, mody tsy tia zany zareo nefa ny ao ampony ao efa ho vaky mihintsy de rehefa hitany ary enao hoe miaraka @ olona hafa ka tsy miraika aminy intsony de eo izy vo tonga saina.
mahereza
6. xxx ( 14/04/2003 11:51)
Omeko tsy omeko izany.
Samia mieritreritra ianareo roa : ianao aloha é! Sao dia izy no tena tianao kenfa nony tsy nekeny ianao dia lasa nijery teny an-kafa.
Ary izy koa sao dia variana nampifila, nanatena anao hiandry azy mandrakariva.
Izao ny hevitro : tsory amin'ny ramatoakely miaraka aminao aloha ny zava-misy, ny vehivavy mantsy matsilo ka ho hitany foana ny hafeninao azy, na koa ho tsapany miandalana ka hanapoizina ny fiarahanareo raha hitohy aoriana
Faharoa ataovy ny mise au point miaraka amin'i omeko tsy omeko, dia anao ny safidy rehefa avy eo, satria ianao ihany no teomon-teny farany, satria lalam-piainanao ho avy izany.
Mahereza ary é!
7. masalomon ( 14/04/2003 13:12)
Ny ataoko?
Raha iray no tsy tia dia hitoto koba aho hatavy . Miala tsiny aminny aho ary mangatatso-drano aminy .
Izaho indray no handa azy amin'izay fotoana izay . Efa manana ny tiako aho .OK BYE
8. zarai ( 18/04/2003 15:54)
Mirohoroho saina anie ise izany e. Raha tianao ilay ao koa tsy tazomina fotsiny fa efa haingo diso an'Iarivo ny azy. Sa ianao koa mbola tara ?
9. manakasina ( 19/04/2003 13:21)
tandremo sao fanakorotanana anao fotsiny sady izao r'ise a! hajao izay notiavinao , aza mapirafy
10. raste ( 27/04/2003 08:42)
Tsotra anie izany e .
Fantatrao moa fa tsy mitovy anie ny vavy sy ny lahy e .
Ny LAHY dia haingana amin\'ny zavatra rehetra , misy izany ny fahakingana amin\'ny zavatra hataony(indrindra amin\'ny fanampahan-kevitra ) , tsy tsapanao amin\'ny tenanao ve fa vao nahita ilay vehivavy ianao dia taitra, tonga dia tia arydia nanapaka hevitra) . Nitorianao fitiavana izy .
Indrisy tsy mitovy tokoa ny vavy sy ny lahy satria ny VAVY mbola maka bahana aloha . Tsy hoe tsy miraiky izany ry zareo fa mbola \"manafana ny motera\" raha ohatra ka oharina amin\'ny motera . Misy fahatarany kely izany ny fomba fahatairan\'ny vavy e . Ka aza gaga ianao raha efa afaka iray vola izy vao nilaza anao hoe \"hiaraka aminao \"
Miteny ianao hoe : inona no ataoko ?
Diniho tsara aza fa sao diso ny safidy ka . Sao manenina ka miteny hoe farafidy no azoko .(Safidy voalohany ilay nanda)
Tsy misy fanararaotana avy amin\'ny vehivavy i fa natiorany izany e. Ka anao irery ihany ny safidy farany e, mahereza e
11. levondraky ( 06/05/2003 13:19)
Ny anao ve vehivavy ho vadina no nilanao azy sa hiarahana hoatr'izao fotsiny? Apetrao mazava aloha ny mason-tsivana (critères) amin'ny olona tianao ho vadinao dia sedrao avy ilay taloha sy ilay vaovao. Dia aza miveraka rehafa manapa-kevitra. Ary izay hevitra tapaka tsy iverenana intsony na hita fa tsy izy aza aty aoriana. Raha tsorina, tsy olana ho anao raha taitra i kala aty aoriana, fa manome anao fahafahana misafidy aza izany.
12. sifotra ( 07/05/2003 17:31)
He he he! ka inn mou no olanao @ zany ? tokony ho faly ange @ zany e ! mety we ne-bôgôsy nge elah hatr@ zay nananan-lah vady zay e ? na nempanakarena ise ! iza no mahalala ? ny fitiavana nge toy ny fanjava tojo tadio ka ny fidinanana no hiakarana.
13. zolizoli ( 30/05/2003 18:42)
Matetika koa ange ny olona na zavatra iray tsy fantatra hoe hatraiza no itiavana azy raha tsy efa very le izy e!
14. xxx ( 18/07/2003 19:07)
Ny lazaiko fotsiny hoe : sao dia pansement fotsiny ilay miaraka aminao izao fa tsy tena tianao akory. Ny tiako holazaina hoe sao dia karazana vengeance hoe : rehefa tsy hiaraka amiko ange ianao mahita foana aho e!!
Fa raha izay dia voa ianao indd raha mbola tia ilay voalohany. diniho tsara hoe : iza no tianao. Dia izay
15. rinakely1 ( 17/12/2003 16:10)
zay kosa angambany izy vo tia koa! inn moa no ataonao @ fa d lazao azy we : "taitra aho,enao tsy rotitra nony efa nisy naka ny place zay v enao vo mikorapaka"
16. maditra ( 04/11/2004 14:21)
Tsy hafa-po zaho tamin\'ilay valiny ka lasa mbola maka ny efa lavitra indray. Ekeo lesy raha mitory aminao izy ah. Soa ny manan-droa izao ve lesy dia hadinonao?
8) ;-)
17. Aandrianina1 ( 14/05/2018 05:30)
Asa raha azonao ny hevitry ilay fiteny hoe"tsy olona iray ahasambatra ahy no tena iriko fa olona iray ho tiaviko mandritra ny andrompiainako"
Donc, izay itanao fa mahababo ny fonao kokoa tazonina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.246