CHATserasera

1. neo ( 12/04/2003 18:45)
tsy mba misy mandeha ao chat mihintsy ve? raha misy fotoana mba tongava ao ry zala sy zavavy a!
Boo sy vahiny ihany no matetika itako ao.Asa mba iza izy ireo?hono oa Mr Eugène?
2. hery ( 12/04/2003 11:52)
Salut Neo,

Tonga ao ihany izahay kah... indrindra amin'ny alina. Aza misalasala miditra ao e.
Hery
3. dd ( 13/04/2003 17:59)
zah koa mba tonga eo ndraindray rehefa hariva iny ka ... sa tsy izany ry Hery? ... ohatra vers 20h (ora frantsay)
dia bonne daholo e!
dr
4. hery ( 13/04/2003 08:12)
Dia izay tsy tafiditra @ chat dia afaka mampiasa ilay logiciel hoe Langoscript... azonao tadiavina ao amin'ny http://www.langochat.net
Io no ampiasainay vitsivitsy ato.
5. neo ( 15/04/2003 15:14)
tara loatra 'zany @valo 'zany, za na ny maraina na ny aprem ihany no mitonton'eto.Satria am-pianarana aho no mikonekta. de sur zany e!
6. patrick ( 16/04/2003 17:08)
Mandeha ao chat ihany rehefa afaka e!
7. dd ( 18/04/2003 15:45)
fa aiza aloha no misy anareo ry neo? misy azo anaovana RV ao @ chat @ izay !!!
8. hery ( 18/04/2003 18:59)
Azonareo atao koa ny mifanao rendez-vous ao ami'nny namana aloha mandram-piandry ny programa tanteraka
9. eugene ( 22/04/2003 17:09)
Mandeha izany izao ny chat an. Tsindrio fotsiny ilay hoe Resaka mivantana na koa mandehana ao amin'ny http://chat.serasera.org fa efa mandeha tsara io amin'izao...
Misaotra antsika rehetra ary
10. dd ( 06/05/2003 12:51)
Mbola tsy hitako foana ny vahaolana @ ilay chat!!! t@ vao niova ny serveur dia tsy nety nandeha intsony ny ahy. T@ serveur teo aloha dia nila applet java installé, dia nizotra tsara. Fa izao tsy mety mandeha intsony... kanefa ireo pub eo ambonin\'ilay pejy mipatrapatraka ery !!!
dr
Ps: Win XP no ampiasaiko
11. hery ( 07/05/2003 16:04)
dr a!
Ary maninona raha mampiasa an'ilay atao hoe syllabix izay logiciel de script natokana ho an'ny serveur ampiasaintsikaa? Azonao télécharger-na eto ambany
http://www.syllabik.epiknet.org/
Rehefa tafiditra ao ianao dia ataovy hoe /join #serasera fotsiny

Ok?
Hery
12. dd ( 21/05/2003 16:07)
misaotra an'i hery!
dia mandeha tsara io logiciel mirc Syllabik io @ izao fotoana izao !
manantena ny rehetra hoavy e! ...
13. djiulambout ( 25/05/2003 12:13)
izahay izany miezaka ny ho ao fônany tontolon ny andro e
14. dd ( 28/05/2003 15:22)
Somary elaela izay tsy namaly ity fa izao no fahasahiranana tsikaritro :
raha Windows 2000 na XP no ampiasainao dia tsy hotadifitra eo @ Chat ianao RAHA TSY mampiasa ilay logiciel Mirc avoakan'ny Epiknet.org lazain'i Hery io (azonao alaina mivantana ao @ http://tahiry.free.fr/ftp/SyllabiK.v3.1.exe ) . Antony, dia nofehezin'i Bill sy ny ekipany ny IE taty aoriana tsy hahafahana mandefa javascript mivantana. Gueguere n'ny samy matanjaka io (Krosoft sy Sun) k'aza gaga ... Sun no mpampihodina javascript toa ny ampiasaintsika @ chat eto @ serasera.
Mandrapitafa indray!
dr
15. ikaretsaka ( 16/01/2004 20:04)
Raha Mac OS na ( na ilay X (izay midy fotony L.. iniksa)
koa no ampiasaina dia milonalona ihany ilay chat... sao misy fika ny @ io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1182